airtel

kolontsaina

05-janv-2024

Mialy Razafintsalama

Heneho an-tsary ny mety ho « sedran’ny tany »

Sample post image

Amir Juvara Andrianalitiana na Amir.J, Joëlle Aresoa na Joey Aresoa,

05-janv-2024

Aina Jo Arimanjato na Jo Aina, Richianny Raherinjatovo na Richianny Ratovo, Mbolatiana Raoilison na Clipse Teean. Ireo indray no isan’ny mpanakanto voafantin’ny ivon-toerana momba ny kanto etsy Ankadimbahoaka na Hakanto contemporary hampiranty ny zavakantony avy mandritry ny 3 volana manomboka ny sabotsy 6 janoary izao hatramin’ny 20 aprily 2024, raha ny fampahafantarana natao teny an-toerana omaly. Fampiratiana andiany faha 8 izy ity ary mizara 2 mazava, hoy ny fanazavana. Ny iray mitondra ny lohateny hoe “La nouvelle terre”, izay ifarimbonan’izy 5 mianadahy ireo fa etsy ankilany kosa dia manohy izany ny fampiratiana an-tsarin’ilay tovovavy mpaka sary, Mialy Razafintsalama, izay tsy iza fa zanaky ny namana mpanao gazety sady mpaka sary rahateo ihany koa, Fred Razafintsalama, ary mitondra ny lohateny hoe “Sedran’ny tany”. Tongava ety an-toerana, hoy ny tovovavy, fa izaho haneho an-tsary ny mety ho “Sedran’ny tany”.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique