airtel

kolontsaina

16-mai-2022

kolontsaina

Miaro Tanjona, zanak’I Olombelo Ricky Manaraka tsimoramora ny dian-drainy

Sample post image

Samy manana ny kantony. Samy manana ny feony. Samy manana ny mozikany. Mitovy fa tsy sahala, hoy ny filaza azy izay.

16-mai-2022

Izay raha lazaina amin’ny teny fohy ny mikasika an’i Olombelo Ricky sy ny zanany lahy, Miaro Tanjona. Manaraka tsimoramora ny dian-drainy amin’izao fotoana izao ity zandrikely ity. Amin’ilay tsy maika hanenjika famoronan-kira sy fampisehoana maro fa manome vokatra kanto rehefa masaka tsara kosa. Indro ary i "Volana", hoy izy ny 11 mey teo nanolotra ho an’ny mpankafy ny hirany vaovao. Vazo noforonina noho ny fisarahan-toerana nateraky ny fihibohana, hoy izy, ity ary atolotra ho an’izay voakasiky ny tranga toy izany sy ireo malahelo amin'izao. Ankoatran’izay moa dia azo lazaina ho vokatra efa heno nandrotsirotsy sy nitaizany ny sofin’ireo mpankafy hatrany amin’ny taona 2017 ka hatramin’ny 2021 teo koa ry “Fitia hafakely” sy “Ilay andro” ary “Nangoraka”.

J. Mirija

 

 


 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap
16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap