airtel

kolontsaina

06-avril-2023

kolontsaina

Miha tia ny vita gasy ny Malagasy «Fanasahiranana fa tsy fanampiana anefa no atolotry ny fanjakana»

Sample post image

Tsy toy ny taloha intsony ny fanjifan’ny olompirenena ny zava-kanto sy asa tanana malagasy ankehitriny, hoy i Razanatsoa Hary Perline, mpisehatra ao anatin’izany.

06-avril-2023

Betsaka ny mpitsidika sy mamantatra ny zava-misy fa ny mpanjifa tena niha vitsy, hoy izy. Nafindra ety amin’ny Rarihasina moa izahay izao raha teny amin’ny Coum 67ha no nivarotra teo aloha. Ny tena hita mandeha ato izao dia ny akanjo vita malagasy. Toy izany koa ny fanafody Fanazava fa ny tena jifain’ny olona dia ny akanjo, indrindra, amin’izao ankatoky ny Paska izao.
MANAHIRANA ILAY LALANA RATSY
Mirary ny vidiny ary mitovy daholo na ho an’ny avy eto an-toerana na ireo mpizahatany. Manodidina ny 60.000 Ariary izany ho an’ny lehilahy dia 70.000 Ariary ho an’ny vehivavy. Misy vita amin’ny lamba soga dia misy vita amin’ny landy, hoy hatrany izy. Ho anay mikirakira amin’ny vatosoa indray, hoy ny mpandraharaha, Andrianarisoa Mirana, dia tena mahita hoe mbola miankina betsaka amin’ny fizahantany ny fanjifana ny vita gasy. Nihena tsy toy ny taloha ny mpanjifa, hoy izy. Any amin’ny 50% any mihitsy ilay fihenana hita tao anatin’ny 23 taona teo. Ny fiatombohan’ny taona 2000 tsinona no tena niroboroboan’ny atao hoe «Art malagasy». Nanomboka teo amin’iny COVID iny no tena mafy. Ny lalana no tena manahirana satria betsaka ireo akora fototra ilaina any ambanivohitra be any. Miakatra ny vidiny dia miakatra ny mason-karena. Na misy olona te hividy koa aza izany dia mihemotra noho ilay fiakarana tampoka.
Legende : Mbola miankina betsaka amin’ny fizahantany ny fanjifana ny vita gasy
SAROTRA NY FANAOVANA TARATASY
Ny ahy izao resaka firavaka sy vatosoa. Tsy tonga aty intsony ny vatosoa fa eo ny hoe fehezin’ny fanjakana ny fitrandrahana. Tsy mahazo mamoaka vatosoa isika. Misy fiantraikany be aminay izany satria tsy ny rehetra intsony no afaka manao azy raha toa nalalaka ilay izy teo aloha. Ny mahafinaritra aloha dia hoe miha tia ny vita gasy ny malagasy. Ny vahiny moa, mazava ho azy, fa ny vita malagasy no entiny mody atao voandalana. Eo koa ilay fiantraikany satria nihena ny mpizahantany. Nihena ny mpividy. Ny any amin’ny resaka sakay sy fanomezan-tsiro sakafo koa izao manana ny miavaka i Madagasikara nefa tsy ny rehetra no afaka manondrana. Nohasarotina ny resaka taratasy sy ny dingana tokony ho arahana, hany ka sahirana ilay mpamokatra malagasy. Amin’izao raha misy mpitsidika miisa 10 miditra eo dia 8 angamba no malagasy dia 2 vahiny fa ny 2 amin’ireo ihany no manjifa ary vahiny ny 1, hoy hatrany ny tenany. Izany hoe, raha fintinina, dia na eo aza izay fitomboan’ny fitiavan’ny malagasy ny vita gasy izay dia mila ny fanohanan’ny fanjakana amin’ny lafiny rehetra ity sehatra ity, hoy ny voambara. Ny zava-misy anefa dia toa fanasahiranana amin’ny alalan’ny fanasarotana ireo dingana arahana no ataon’ny fanjakana fa tsy fanampiana azy ireo.
Legende : Rtoa Razanatsoa Hary Perline
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap