amin’ny fivoriana ara-potoana, somary mafampana indray ny adihevitra ao Tsimbazaza. Isan’ny nafana ny fitakiana ny hisian’ny fihaonana hametraham-panontaniana ny governemanta, ny fampanantsoana minisitra mikasika toe-draharaha maromaro : toy ny tsy fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ny resaka ara-tontolo iainana toy ny raharaha Base Toliara,… Voakiana mafy ny fahefana mpanatanteraka noho ny tsy fahombiazana hita taratra amin’ny toekerana sy ny fiainam-bahoaka, fa tratry ny tsikera ho tsy mahavita ny asany ihany koa ny solombavambahoaka. Isan’ny adihevitra ohatra, ny fandaniana tao Tsimbazaza ny lalàna hakan’ny fahefana mpanatanteraka ny hetran-trano sy hetran-tanin’ny kaominina. Nitondra kiana mivaivay ho an’ny Fahefana mpanatanteraka ny depiote Gascar Fenosoa raha nivahiny tao amin’ny Onjam-peon’ny Top Radio FM 102.8 omaly. Nambarany fa anisan’ny nitsipaka ny fakana ny hetran-tany sy hetran-tanin’ny kaominina ny tenany. Androany, hoy izy, tsy manam-bola ny Fanjakana dia izay mety hahazoana vola dia alaina avokoa ». Nambarany fa mifampiresaka ny samy depiote, ary na ny mpomba ny fitondrana aza betsaka no tsy mankasitraka an’io saingy mitsotra hoe : izahay tsy afa-manoatra izay no baikon’ny « patron ». Manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy manana zo hitady fialana bala ny Fanjakana. Tompon’andraikitra amin’ny tsy fandriampahalemana ny Fanjakana, ary mampahatsiahy ny fanontanian’ny Filoham-pirenena tamin’ny 2018 hoe : misy Fanjakana ve eto ? hoy i Gascar Fenosoa. Azon’ny Antenimierampirenena atao ny mitsipaka ny governemanta, saingy sarotsarotra, mila ny 2/3n’ny mpikambana. Nivaky anefa ity depiote ity, fa miainga ny adihevitra ao Tsimbazaza amin’ny fitsipahana ny governemanta Ntsay Christian noho ny tsy fahombiazana. « Androany aho miteny aminao fa misy depiote miketrika an’io, efa mandeha eny andalan-tsara izany resaka fitsipaham-pitokisana izany. Na inona na inona hazavain’ny depiote, izaho dia manome porofo fa efa miresaka an’izany izahay, tena miresaka an’izany. Tsy ny tombotsoan’olona no resahanay, fa rehefa tsy mahavita dia tokony hosoloina », hoy i Gascar Fenosoa. Efa nisy ny dingana fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022 nisiana sonia 105 saingy nataon’ny Fitondrana Rajoelina izay fomba rehetra nanatseforana azy teny an-dalana. Ankehitriny, miverina indray ny resaka, ka asa hanao ahoana ? Na hahomby na tsia, miharihary fa anaty krizy sy tsy fahamarinan-toerana hatrany ny fitondrana, tsy misy fampandrosoana vanona,… « Misy ady an-trano ao anaty fitondrana, ny Jeneraly Richard Ravalomanana izay Filohan’ny Antenimierandoholona ohatra miteny, dia misy valin-kafatry ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy ! Samy olon’ny fitondrana izany, ka tsy ny adiny no idiranay », fa ny fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka, hoy ity depiote ity.
FANJAKANA TSY MATOKY TENA !
Nitondran’io depiote io fanehoan-kevitra ihany koa moa ny fihetsiky ny fitondrana manoloana ny zava-niseho teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny talata teo. Tsy nitsitsy izy naneho, fa fanjakana izay matoky tena ho mamim-bahoaka sy tian’ny vahoaka, mihevitra fa manana ny maro an’isa ao amin’ireo Antenimiera, manana ny maro an’isa amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana,… dia tsy tokony hatahotra fanehoan-kevitra, tsy tokony hatahotra hetsika an-dalambe. Manaporofo anefa fa matahotra, ka mahatonga an’ireny fanakanana ireny. Zokiolona tahaka ireny ve dia atahorana hanongam-panjakana. May volo tratra ve ? Tsy mazaka fanehoan-kevitra, tsy matoky tena, izao Fanjakana izao no nilaza fa ny fidinana an-dalambe dia tsy midika ho fanonganam-panjakana. Ny fanagasiana, ny fiandrianam-pirenena no notakiana tamin’izany. Asa na fifandrifian-javatra fa raha ny tantara dia ny 23 aprily 1895 no niditra tao Mahajanga ny mpanjanantany Frantsay, ary 23 aprily no niditra teto Antananarivo ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron. Mbola anaty rafi-panjanahana an-kolaka isika, hoy i Gascar Fenosoa.
Toky R
Voatery nofoanana ary ahemotra amin’ny fotoana manaraka ilay fampisehoana
Amin’ny datin’ny 25 sy ny 26 Jona ho avy izao ihany no hanatanterahana ilay