airtel

kolontsaina

05-déc-2022

kolontsaina

Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina « Mahavoasazy ny fanaovana fihetsika mamoafady… »

Sample post image

Namoaka fampahatsiahivana na “rappel à l’ordre” ny Minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny alalan’ny Talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe,

05-déc-2022

 izay nafatonka tamin’ny resaka fanajana ny soatoavina Malagasy. Notsiahivina fa araka ny voalazan’ny andininy faha- 3 sy 6 amin’ny lalàna lf-2021-019 tamin’ny 4 aogositra 2021 mikasika ny politikam-pirenena momba ny kolontsaina, ny fiarovana ny Kolontsaina Malagasy sy ny fanajana ireo soatoavina dia sokajiana ho laharam-pahamehana ho an’ny firenena. Nampahatsiahy noho izany io Minisitera io fa ny fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka izay mifanohitra tanteraka amin’ny kolontsaina Malagasy dia tsy azo ekena ho voizina eto amin’ny tany sy ny firenena na ho an’ny artista izany na ho an’ny mpikarakaraka fampisehoana. Nambara fa sazian’ny andininy faha-300 amin’ny fehezan-dalàna famaizana izany fihetsika mamoafady izany. Notsiahivina ihany koa ny voalazan’ny andiny faha-6 sy faha-26 ary faha-31 amin’ny lalàna lf-2016-024 tamin’ny 254 aogositra 2016 novaina sy nampian’ny lalàna lf-2020-006 tamin’ny 01 septambra 2020 mikasika ny srasera amin’ny haino vaky jery, izay milaza fa malalaka ny serasera amin’ny endriny rehetra, kanefa tsy tokony ho ampiasaina hizarana sary na fanehoana mamoafady izay manohintohina ny filaminan’ny besinimaro. Notsiahivina ihany koa ny lalàna lf-2014-006 ny 17 jolay 2014 nampian’ny 2016-031 tamin’ny 23 aogositra 2016 mikasika ny heloka amin’ny tambazotra internet, maneho fa ny fanapariahana sary na fihetsika mamoafady amin’ny tambazotran-tserasera dia mahavosazy 2-5 taona an-tranomaizina miampy lamandy 10-10 tapitrisa Ar raha toa ka mety ho hitan’ny zaza tsy ampy taona. Tsy nisy ny filazana mazava mikasika ny olona na vondron’olona manokana iantefan’ny fampahatsiahivana fa ho an’ny daholobe. Misy zavatra heverina fa niaingany anefa io, saingy tsy nampahafantarina mazava. Tany Toamasina, nisy fihetsika vehivavy iray voalaza fa nanala tako-kenatra niantsampy tamin’ny artista Big MJ. Misy ny nandray azy ho misy teny mamoafady sy vetaveta ihany koa ny tsodranon’ny mpanakanto Jaojaoby tamin’ny famangiana ny zanak’I Janga Ratah, raha toa ka maro ihany koa no nanazava fa fomba tafiditra ao anatin’ilay atsoina hoe: “Atiromba” fanaon’ny any Avaratry ny Nosy izy iny. Tetsy amin’ny Coliseum ny 30 oktobra teo, nisy famaranana fifaninana iray, izay nisiana seho nampitolagaga ny fampandihizana fitombenana ary efa niseho hatramin’ny tsy tokony hiseho, efa “kolom-body” fa tsy “kolontsaina” saingy tsy mba nisy Minisiteran’ny kolontsaina niteny?
Toky R
 

Dans la même rubrique