airtel

kolontsaina

03-avril-2023

kolontsaina

Misaona ny mozika malagasy Nodimandry i Doria Rakotondrazaka

Sample post image

Misaona ny mozika malagasy. Nodimandry ny sabotsy teo, noho ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy teny

03-avril-2023

Ambohidroa, ny mpampianatra sady mpitendry vatamaroafitsoka mbola tanora vao erotrerony sady fanta-daza, Nirina Harilala Doria Rakotondrazaka, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Doria Rakotondrazaka. Voadonan’ny kamiao moa ny moto nentiny, ka izay no voalaza fa namoizany ny ainy, raha ny fampitam-baovao voaray. Namela mpitondra tena sy kamboty 3 mianadahy moa izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany ny eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap