airtel

kolontsaina

25-juin-2025

Misaona ny mozika malagasy

Nodimandry i Jhonny Basse

Sample post image

Misaona ny mozika malagasy satria nitombo indray ny andrarezina lavo teo

25-juin-2025

amin’ny tontolon’ny fitendrena gitara, indrindra ny gitara basy. Taorian-dry Tota sy Fanaiky dia tsy namantsika intsony koa hatramin’ny omaly i Johnny Zafimahery na Johnny Basse, hoy ireo akaiky azy. Ny fitendrena "Blues & Rock" no tena nampiaiky azy fa nilalao ny gadona rehetra ary niaraka tamina tarika sy mpihira malagasy maro koa izy fahavelony, indrindra, ireo mpanakanto nanandratra ny atao hoe hira vokatry ny tany na «chant de terroir» toa an-dry Mikea, Ralanto, Vahombey (efa nodimandry). Isany koa ry Fara gloum, Iraimbilanja, Ingama, Davis, Manda, Tafaranitse, Tselonina. Niaraka niketrika vazo hafa mihitsy tamin'i Mika a oa amin’ny Allkiniah koa nefa izy, hoy ny mpitendry namany, Christian Rabekoto. Mpandrindra, mpamoron-kira, nijery ny lafiny tonony sy feo tao amin’ny Blooky studio ihany koa no isan’ny tena nahafantaran’ireo mpankafy mozika azy ny taona 2023. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra moa ny gazety Tia tanindrazana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap