ny mpanakanto Rakotomanana François de Sales izay fantatra amin'ny anarana maha mpanakanto hoe : Ramy Franck. Mpanakanto feo izy. Sady mpamoron-kira izy no mpihira. Isany ireo mpanakanto mpamaky lay nivoy ny gadona "rythme & blues" izy. Nibata amboara nasionaly tamin'ny fifaninan-kira tany amin'ny taona 70 ihany koa. Isan'ireo mpikambana sy mpandray fisotroan-dronono ao amin'ny OMDA i Ramy Franck. Isan'ireo hira nahafantarana azy ary tsy lefy laza hatramin'izao, indrindra rehefa Fetin'ny Reny ilay mitondra ny lohateny hoe : "Vavaka ho anao ry Neny". Raiamandreny Kristianina ao amin'ny EKAR Notre Dame de Fatima Ambohimirary Antananarivo izy. Teo amin'ny faha-86 taonany i Ramy Franck izao nodimandry izao. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany manontolo.
Jean D.