airtel

kolontsaina

20-sept-2021

kolontsaina

Misaona ny zava-kanto sy ny mozika Nodimandry i Sammy Rastafanahy

Sample post image

Nodimandry ny sabotsy 18 septambra 2021 lasa teo ny Mpanakanto Sammy Rastafanahy na Raharisoa Samuel, fantatra tamin’ny anaram-bositra ihany koa hoe “Dollar”,

20-sept-2021

 mpanakanto Malagasy fantatra teo amin’ny fiangaliana ny mozika “Reggea”. Isan’ny nanandratra io gadona io, ary efa Filohan’ny Fikambanan’ny Mpanao Reggae, Filohan’ny Fikambanana Rasta teto Madagasikara. Nivoy hatrany fa ny “Reggae Feom-bahoaka”, ary namoronany hira manokana mihitsy io lohahevitra io. Isan’ny hira nahafantarana azy ihany koa ny “Mbola tsara”, “Angady”,… Notsaboina tatsy amin’ny Nosy La Réunion izy izao nodimandry izao. Tany amin’ny aogositra-oktobra 2016 no efa nanana olana momba ny fo na “maladie cardiaque” ity mpanakanto ity. Maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana feno ho an’ny Fianakavian’I Sammy Rastafanahy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.


Nisy ny hafatra avy amin’ny fianankaviany omaly hariva manao hoe:« Izahay fianakaviany Sammy tompoko dia maniry ny ampodiana ny nofo mangatsiaka an’tompokolahy an-tanindrazana ka noho izany dia mba mangataka tolotanana amtsika hanampy amin’ny fampodiana ny razana sy hanomezana fandevenana mendrika ho azy. Ito ny “liens cagnotte litchis” afahatsika manao izay ary ko orange money: http://www.leetchi.com/c/sammy-rastafanahy; Orange money : + 261 320296900 Rahelisoa Hanta Nirina ( anabaviny).
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap