airtel

kolontsaina

06-févr-2026

Misiterin’ny tantaran’ny

Rovan’Antananarivo

Sample post image

Mitantara i Cyprien Michel Raheriharimahefa

06-févr-2026

Manana ny tantarany sy fototra niaviany ny fanjakana malagasy, hoy ny manam-pahaizana momba ny politika na «expert en sciences politiques» no sady efa nandray anjara hatrany tamin’ny fanelanelanana ho famahana ny krizy teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 1991, Cyprien Michel Raheriharimahefa. Tokony ho fantarina hitsilovana ny lalan-kizorana izany, hoy izy. Tsy hanokatra adihevitra momba ny mety sy tsy mety ny tenako fa hitantara kely zava-nitranga teny amin’ny Rova faramparany teo. Tsy hanonona anarana aho! Tamin’ny fotoana nanapahan-kevitra hanarenana ireo Lapa teny amin’ny Rova dia niteny tamiko ilay Rahalahy mpanolotsaina, manao ny «validation technique» na fankatoavana ara-tekinika. Ny fanontaniako voalohany dia ny hoe iza no mitarika ny fomba? Valiny; ry zalahy! Tsy ho voasakana rahateo izany rehefa izay no fanapahan-keviny fa aleo ho hita eo! Ny tena nanaitra ahy voalohany dia ny famonoana omby teny, notarihan- dry "kolontsaina", amin’ny andro maizim-bolana, 29 may 2022, izany hoe Alahamady miverina! Ny mahagaga dia mpanandro fanta-daza sy ikohizana no nitarika ary tao rahateo ry "Antehiroka" sy ny maro hafa. Na dia fantatra fa tsy mety dia tena tsy afa-niala ilay Rahalahy fa nosakanako tsy hitondra ny vady aman-janany satria taranak'Andriana rahateo ka saika hitondra azy ireo ho eny an-dapa. Ny omby avy any amin’ny filoha fa maro tamin’ireo nanatrika anefa no efa tsy mankatò intsony ny fomba fitantanana ny firenena ka nifamahofaho tao izany ny fangataham-pitahiana sy ny ozona. Taty aoriana dia rodana, nilatsahan'ny varatra ilay tilikambon'ny tempoly ao amin’ny Rova naorin'ny misioneran’ny LMS William Pool tamin’ny 20 jolay 1869 hatramin’ny 9 aprily 1880 tamin’ny andron'ny mpanjaka Ranavalona II. Nentina teny aho mialohan'ny fanamboarana. Ilay vato sy «béton» na lasin-tsimenitra aloha tsy idirako fa ilay andry anankiroa ao afovoan'ny lapa midika fa "misy lohany roa ny firenena", izay hiteraka faharavan'ny fanjakàna sy ny toy izany. Mbola izay ny zava-misy. Tsy misy fikarakaràna mihitsy. Tsy araka ireny werawera ireny fa nomenay 30.000 Ariary ireo mpiambina mba hanapaka ny bozaka teo anoloan'ny Mahitsielafanjaka sy ny toy izany. Ny teo amin’ny manodidina ny «Colisée» koa dia vakivaky daholo ireo simenitra, izany hoe mietry ny tany. Notokanana mody masoandro moa ilay izy avy eo ka nahatonga ny manam-pahefana iray nanontany ahy, nefa tsy afa-niala na dia nambara fa tsy mety. Fantantsika ny tohiny! Efa nisy moa ny Ampanjaka Antemoro no namoy ny ainy teo ary ilay Rahalahy mpanolotsaina koa dia efa niamboho, hoy hatrany ny nitantaràn’ity vavolombelon’ny tantara ny misiteran’ny anaty Rovan’Antananarivo ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Hosokafana amin'ny seho lehibe eny amin'ny La City Ivandry

Card image cap