mpiangaly mozika jazz teto Madagasikara izany Lalatiana izany. Azo lazaina ihany koa fa hanolotra seho goavana eto an-toerana izy ny faha 20n’ny volana oktobra izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, raha ny fampahafantarana nataony hatreto, izay nilazana moa fa ho fantatra tsy ho ela ny andinindininy momba izany. Hoavy eto an-tanindrazana indray, araka izany, ity tompon’ny feo, raha samy andriambavilanitra na «diva» malagasy ity, hoy ny filazantsika azy. «Alina indray», «Nanonofy», «Avelao», santionan’ireo hira nahalalana izany antsoina hoe Lalatiana izany, asa hanao ahoana indray ny tsirony 20, 30 taona aty aoriana aty!!?
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity