airtel

kolontsaina

22-févr-2022

kolontsaina

Mozika Rap Hiverina an-tsehatra i Big Jim Da

Sample post image

Hiverina an-tsehatra indray etsy amin’ny No comment bar etsy Isoraka ny sabotsy izao ny mpanakanto mpiangaly ny mozika Rap, Big Jim Da.

22-févr-2022

 Raha ny “Sedra”, “Jaolahy mpiarakandro”, “Omezaho numnao”, sy ny hafa rehetra no nanakoako teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2010 teo dia iaraka hahatsiahy izany indray izany ireo mpankafy sy liana amin’ny vazon’ity mpanakanto ity amin’io sabotsy io. Raha Big Jim Dah no anarana nentiny teo aloha teo dia efa lasa Big Jim Da indray izany izy izao mba ho marik’izay ainga vaovao ho entin’ity mpanakanto ity manohy ny lalany izay. Ny taona 2018 no hita ho nanomboka izay endrika vaovao izay niaraka tamin’ilay rakitsary nitondra ny lohanteny hoe “Very jeans”. Inoana fa hisy tsiro tsy ampoizina hiavaka tamin’ny nahalalana ity mpanakanto ity hatramin’izay, araka izany, ho heno amin’io sabotsy io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap