Hatramin’ny takarivan’ny alahady teo no nahavelom-panontaniana ireo mpanara-baovao maro ny antony nahatonga ny mpanakanto, Dimi Try 555, nanao antso an-dranomaso be tsy nisy toy izany tamin’ny tambazotran-tseraserany. Velom-panontaniana ny maro hoe «fa naninona koa ity tovolahy ity?». Raha ny fampitàm-baovao voaray omaly kosa dia nanao antso vonjy tamin'ny mpitandro filaminana ao Vohilengo ity mpihira ity fa hoe novonoin'ny Fokonolona raha avy nanao fampisehoana tao an-toerana. Raha ny fanazavany dia tonga «grand complet», izany hoe, tena feno, ny tarika fa noho ny tandrametaka nataon'ny mpikarakara toy ny fanamafisam-peo tsy mamely no nahatezitra ireo mpijery ka niteraka izay ambarany ho famonoana azy izay. Nitaraina mafy ity mpanakanto ity ka nanao antso vonjy tao amin'ny tambajotra ary voalaza fa tsy ela dia tonga teny an-toerana ireo polisy kaominaly. Voaaro tsy naratra noho izany i Dimi Try 555, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija