airtel

kolontsaina

25-sept-2023

Mpanakanto Do B

Notolorana mari-boninahitry ny kanto

Sample post image

Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina ny mpanakanto Do B,

25-sept-2023

raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tanora vao erotrerony kanefa efa manana ny lazany maneran-tany. Nikiry, niasa ary niezaka ka nahatratra tanjona amin’ny maha matihanina azy momba ny kolontsaina famoranana feon-kira amin’ny vava na “Beatbox”ny lehilahy raha tsiahivina. Taorian’ny fifaninanana maneran-tany «Beatbox Battle World Championsip» notanterahina tany Alemanina, izay nandraisany anjara ka nibatany ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy « Vocal scratch », dia notoloran’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” ny sabotsy teo i Rasolofoarison Ronaldo na Do B. Taranja ara-kolontsaina mbola tsy nahazatra ny maro teto Madagasikara ny “beatbox” na dia efa manana ny toerany azy aza any ivelany. Nisy ihany koa moa iny sabotsy iny ny fampisehoana niarahan’i Do B tamin’i Moni, Bolo ary i Epistolier tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ho fanomezan-tsiro ity lanonana fankasitrahana an’i Do B ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay

Card image cap
22-mai-2025

Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity

Card image cap