airtel

kolontsaina

08-sept-2022

kolontsaina

Mpanakanto Elidyat “Hanao fitetezam-paritra any Diana”

Sample post image

Nanomboka ny taona 2017 no niditra tanaty sehatry ny mozika Malagasy i Elidyat, hoy ity mpanakanto ity. Nisy fampiaraham-peo tamin’ny anadahiko,

08-sept-2022

Elidio, mitondra ny lohateny hoe “Aza mipaipay”, hoy izy, nidirako tamin’ny mozika. Efa maro ankehitriny ny vokatra toa an-dry “Isaka aia”, “Fitia mifamaly”, “Tsy nialanao zah”. Hisy fampiaharam-peo miisa 3 koa ato ho ato. Ny vokatra manaraka ankoatran’izay moa dia ilay hoe “Tsy ngoma”. Ny tanjona ao anatin’ny kanton’I Elidyat dia ny mba hampita hafatra amin’ny mpankafy ary hanome zava-baovao hatrany ho azy ireo. Hisy ny fitetezam-paritra atao any Diana amin’ny volana novambra izay iarahana amin’ireo artista namana moa ankoatran’izay. Sarotra ary tsy toy ny taloha ny mitady zava-baovao mahaliana ny mpankafy ankehitriny satria dia mila ambiansy vaovao foana koa zareo. Mila tsy kivy noho izany fa mihetsika foana mitady hoe inona indray no tokony atao, hoy hatrany i Elidyat.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique