fanomezam-boninahitra azy
Fanovona Jean Gabin, Mpanakanto andrarezina nitondra avo ny mozika avy any atsimon'ny Nosy. Raha tsiahivina izy no namorona ny tarika "Vaovy". Ity farany izay nanandratra sy nivoy ny "Beko" gadona sy fomba fihira nentim-paharazana avy any atsimon'i Madagasikara. Ampahany amin'ireo tsanganasan'i Gabin Vaovy ny "Salakao" Mpanakanto tsy nitsahatry ny nikaroka ny paika rehetra hampiroboroboana ny mozika malagasy ihany koa ny lehilahy tamin'ny fotoam-pahavelomany. Maro ireo firenena efa nanjifa ny mozika nojariany Ankoatry ny maha mpanakanto an'i Fanovona Jean Gabin anisan'ireo niady mafy ny amin'ny tokony hitadiavana vahaolana maharitra amin'ny tsy fisian'ny rano any Atsimo izy. Nomarihan'i Colombie filoha mpanorina ny ONG "Soa sairy" fa nandritra ny enina ambinifolo taona no nitoloman'i Fanovona Jean Gabin tamin'izany. Ho fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana ireo ezaka rehetra nataon'ity Mpanakanto ity fony fahavelony ho fanandratana ny mozika avy any atsimo dia ho marolafy ireo hetsika hatao ho fanamarihana izany. Hanomboka amin'ny fanatanterahana ny "Tolo-tanana" hatao ny 31 Oktobra, etsy amin'ny CCI Ivato, mandritra ny tontolo andro izany izay ho hafanain'ireo mpanakanto maro be. Ny vola ho azo amin'izany no hoentina manatanteraka ny fifaninanan-kira "Cover" izay hatomboka etsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny Fanatanjahatena Mahamasina, ny 28 novambra ho avy izao ary hisandrahaka any amin'ireo faritany enina teo aloha. Ireo sanganasan'i Fanovona Jean Gabin no ho hiraina mandritra izany. Ho faranana amin'ny fametrahana tsangambato sy Tranom-bakoka hitondra ny anaran'i Fanovona Jean Gabin any Ambovombe, ny 19 sy ny 20 desambra ny hetsika ho fanomezam-boninahitra ity Oloben'ny mozika avy any atsimo ity. Marihana fa hitondra ny anaran'i Fanovona Jean Gabin ihany koa ny Tranoben'ny Kolontsaina ao Ambovombe Androy.
Nangonin'i Jean D.
Fanovona Jean Gabin, nitondra avo ny fanevan'ny mozika avy any atsimo