Tena loza mananontanona ho an’ny fitaizana ny zaza Malagasy izy ireny raha araka ny fanazavan-dRamamimampionona Gérard izay mpandinika ny fiaraha-monina ka tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra. Diso mandray azy ireny loatra mantsy ny ankizy noho ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Amin’ny alalan’ny finday eny an-tanany dia efa mihaino sy mijery ny ankizy iray ka tavela sy tsy voarain’izy ireny intsony soa toavina Malagasy hoy hatrany izy. Miantso ny Ray aman-dReny ho mailo araka izany ity tompon’andraikitra ity ka hanamafy ny fitaizana ny ankizy ao an-tokantrano. Rehefa mafy orina tsara mantsy ny fitaizana sy ny fitsipika tokony arahin’ny ankizy hapetraka ao an-trano dia tsy ho varimbariana foana amin-javatra tsy misy dikany izy ireny hoy hatrany ity mpandinika fiaraha-monina. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity tranga ity ihany koa Ramamimampionona Gérard ho fiarovana ny fanabeazana ny zaza Malagasy.
Pati
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady