Ny mpanankato Shyn no lasa ambasadaoron'ny vaovao marika Beaufort, vokarin'ny orinasa Star. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly Alarobia 23 Jolay tao amin’ny Makay Lounge Analamahitsy ny fiaraha-miasa eo amin'ity mpanankato Malagasy malaza iray ity sy ny marika labiera Beaufort. Manomboka eto noho izany dia lasa masoivohon’ny marika ny tenany. Anisan’ireo olo-malaza eo amin’ny sehatry ny mozika afro-urbaine i SHYN, nahazo fankasitrahana im-betsaka taty Afrika izy ary manana ny lazany ihany koa, hatrany ivelan’ny sisintanin’i Madagasikara. Maneho hatsarana sy finiavana hanakatra avo kokoa hatrany i SHYN, soatoavina mifanaraka tanteraka amin’ny maha izy azy an’ny Beaufort. Ity fiaraha-miasa ity dia manamafy ny toeran’ny BEAUFORT eto Madagasikara amin’ny maha-labiera premium manana ny laza iraisam-pirenena azy. Vokarina amim-pitandremana sy amin’ny fenitra avo indrindra izy, ka mampiavaka azy ny tsirony, ny hanitra malefaky ny houblon misy tsiron-java-maniry ary ny hakantony, izay maneho ny maha maoderina azy. Haharitra herintaona ity fiaraha-miasa ity ary hisy ny hetsika maro hisongadina entin’ny BEAUFORT sy SHYN hampifaliana ny mpanjifa sy hanakaiky hatrany ny filàn’izy ireo.
Pati
Légende : Nandritra ny sonia fifanakem-piaraha-miasa notanterahina omaly !