airtel

kolontsaina

15-mars-2024

Mpanakanto Shyn

« Sao mba efa tsy rariny intsony ity delestazy ity »

Sample post image

Efa simba fananana, very asa, very « client », dia mbola havela halalaka

15-mars-2024

ihany koa izany ny mpanao ratsy amin’ity haizina ity ? Ho aiza izany ny madinika ? Raha toa ka samy mba mahatsapa mety tsy manahy, fa rehefa ny madinika very asa ireo no tara na tsy mahaloa faktiora maika ianareo manapaka tsy misy indra-fo. Raha ny olona mampiasa « courant » dia lasa mipetra-potsiny niany, ary ny hariva izao dia lasa « gardien » na mpiambin’alina. Sao mba tsy rariny kosa », hoy ny mpanakanto Shyn izay marihina fa zanak’i Toamasina, raha naneho hevitra momba ny delestazy mampikolay. Fanehoan-kevitra izay maneho sy manamafy fa tena marary ny vahoaka ilay zava-mitranga, miantraika hatrany anaty vilany,… Tsy vao sambany ny tahaka izao fa efa mpitranga matetika, saingy toa fampanantenana lava no betsaka. Raha mpanao politika no miteny dia mety mbola ho azo hadika ihany hoe : hikoha-maina tokoa aza hatao, mainka fa misy an’ireny hamelezana ny mpitondra, saingy efa tena olona ivelan’ny politika itony miteny itony, ary tsy vao io, fa efa betsaka ireo mpanakanto, na olo-malaza ivelan’ny fanaovana politika,… miteny ny tsy mety sy miantso hisian’ny vahaolana maharitra, saingy mbola antso an’efitra aloha ny ankamaroany hatreto.
Toky R
 

Dans la même rubrique