airtel

kolontsaina

26-août-2022

kolontsaina

Mpanakanto Tiana Prisca Hiditra amin’ny sehatra matihanina

Sample post image

Hiroso amin’ny sehatra matihanina ny Mpanakanto vao erotrerony Tiana Prisca izay vao 20 taona monja,

26-août-2022

araka ny fampahafantarana ofisialy nataony teny amin’ny ivon-toerana matihanina momba ny fampianarana ara-mozika zava-kanto dia Jejy Music Orchestra and Choir eny Andravoahangy Ambony. Na vao 20 taona monja aza izy, azo lazaina ho nandalo sehatra maro teo amin’ny sehatry ny mozika. Nanomboka teo amin’ny faha-10 taonany dia efa nianatra nihira sy nitendry piano i Prisca ary teo amin’ny faha-12 taonany izy no nanaraka fampianarana tao amin'ny "Aria Académy. Efa nandray anjara tamin’ny fifaninana maro tamin’ny sehatry ny mozika toy ny "concours national de la chanson française" teo anivon’ny Alliance Française ny taona 2016, "pazzapa boys and girls", "la voix d'or" ny taona 2017 ary ny " pazzapa young" izay nibatany ny amboara ny taona 2018Ankehitriny nanapa-kevitra ny hampiroborobo ny kanto avy aminy amin'ny alalan'ireo hira foroniny ary ny hametraka ny maha izy azy eo amin'izany sehatry ny mozika izany eto Madagasikara sy hivelatra hatrany am-pitan-dranomasina mihitsy, araka ny vinany sy ny tanjony. ". Ny taona 2018 i Prisca no nanomboka namoron-kira ka ny gadona "slow, RNB, POP ary Afro-beat" no tena ahafantaran'ny maro azy. 4 taona naha-artista, ka tao anatin'izay, hira miisa 10 ary rakin-tsary miisa 4 (ray tsitoha ny taona 2018, tafasaraka sy fitia ho doria ny taona 2020 ary love aminao ny taona 2022) no efa noforoniny. Isan’ny tena manampy sy manohana an'i Prisca amin'ny fampivoarana ny talenta eo amin'ny sehatry ny mozika ny "jejy music orchestre and choir", izay efa nanovozany fahalalana, ka mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ankoatra ireo raki-kira vaovao navoakany dia hanolotra fampisehoana goavana mandeha irery izy ny 5 novambra ho avy izao, izay iarahany miasa amin’ny "jejy music orchestra and choir", ho fisantarany an’izay fidirana amin’ny sehatra matihanina izay, ankoatra ny fitohizan’ny asa famokaran'i Prisca raki-kira sy hira vaovao hatrany.
Toky R
Légende: Tiana Prisca nampahafantatra ny tanjony handeha lavitra amin’ny mozika tetsy amin’ny Jejy Music Orchestra and Choir
 

Dans la même rubrique