rehefa nesorina i Ranjarivo Haja ary tsy mbola nisy fanendrena izay ho solony hatreto. Nandringa nanaraka an’izay koa ny asan’ny OMDA indrindra ny fandoavana ny zon’ny mpamorona. Manomboka mampiaka-peo ireo mpanakanto mpamorona mpikambana manoloana izany. « Izay milaza azy ho manampahefana, avoahy ny anjara vola zon’ny mpamorona anjaranay, ny volanareo sady be dia be no tsy tapaka isam-bolana, izahay efa valo volana no tsy nahazo ny volanay, tsy misy resaka maro, avoahy ny zonay. Masina ny tanindrazana ! », hoy i Max Exception tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook. « Tsy somonga akory ny fiainanay fa mamelona vady aman-janaka tahaka ny rehetra izahay ka noho izany avoahy ny zonay, ny volanay ao amin’ny OMDA », hoy izy nanohy. Talohan’io dia Mpanakanto maromaro no efa namoaka fanambarana ampahibemaso, tonga hatrany amin’ny fanankihanana ny minisitra mpiahy.
Jean D.
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana