Hiverina an-tsehatra indray ny vehivavy ato ho ato, raha ny fampahafantarana efa mandeha eny anivon’ny haino aman-jery rehetra eny. Fifaninanan-kira tamina fahitalavitra rahavavy tamin’ny fotoan’androny no nizarany ho hitam-bahoaka voalohany ny talentany teo amin'ny faha 14 taonany, izany hoe, ny taona 2005. Nampiara-peo tamin'i Joy K, tao anatina hira maromaro izy taorian'izay. Ny fihaonana tamin'ny G'2000's tao amin'ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina niaraka tamin'ity mpanakanton’ny taona 2000 ity ihany no nahitana azy indray. Ny fiarahany tamin'ny mpankafy farany teo indrindra no nanosika azy indray hanohy ny lalan'ny mozika ary hamokatra rakikira, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany.
J. Mirija
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity