airtel

kolontsaina

22-juil-2022

kolontsaina

Mpanankato nahavita be sy olo-malaza Dieny mbola velona no tokony hankasitrahana

Sample post image

Nisesisesy tato ho ato ny fahafatesana mpanankato malaza, olom-pantatry ny maro teo amin'ny tontolon'ny as fanaovan-gazety ary ireo olona nahavita be teto amin'ny tany sy ny firenena.

22-juil-2022

Tsikaritra anefa raha ny fahitan'ny pastera Heritiana Randriarimalala eo anivon'ny trano fivavahana Vahao ny oloko fa saika efa maty foana vao tolorana mari-boninahitra sy mari-pahatsiarovana ary hanaovana hetsika miavaka ho fahatsiarovana azy ireny olona nodimandry ireny. Tokony mbola velona anefa ireny olona ireny no hanaovana izany rehetra izany hoy izy mba tsy ho maty vao ramalala hatrany. Vao mikipy mantsy ny mason'ny olona iray ka maty izy dia tsy misy na inona na inona tsapany intsony na hatao volamena aza ny vata hametrahana azy, na homena izay mari-boninahitra faratampony indrindra aza izy. Zary lasa fombafomba atao sisa izany rehetra izany fa tsy hisy fiantraikany aminy intsony. Ny tsara araka izany hoy pastera Heritiana dieny mbola velona ny olona iray dia ataovy izay azo hatao aminy. Ampio izy raha sahirana. Tohanana izy raha mila fanampiana, hankasitrahana izy tamin'ny ezaka nataony raha azo hatao mba tsy hanenenana. Ekena hoy izy fa misy ny mpisoloky saingy anjarantsika ny manavaka ireo tena mila fanampiana marina. Ny fanampiana lehibe tsara omena ny olona iray mila vonjy moa hoy hatrany pastera Heritiana ankoatra ny vola sy ny fitafiana dia ny fampanatonana azy an'Andriamanitra. Rehefa maty mantsy ny olona iray hoy izy dia lalana roa no miandry azy. Mety ho any amin'ny fiainana mandrakizay avy hatrany izy na koa ho an'ny fahaverezana mandrakizay. Tsara araka izany hoy pastera Heritiana manao zavatra tsara hatrany, mifandefitra ary tsy miady raha azo hatao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap