airtel

kolontsaina

28-janv-2021

kolontsaina

Mpandala ny fomban-drazana Mahafaly “Aza potehina hanaovana kianja ny vakokay”

Sample post image

Nanao fanambarana ny avy amin’ny Fianakaviamben’ny Mpanjaka Sakalava

28-janv-2021

 

 

 

 

Mahafaly sy ireo Fikambanana na antoko Mpandala ny fomban-drazana Mahafaly, maneho ny tsy fankasitrahana tanteraka ireo hetsika miseho ambaran’izy ireo fanitsakitsahana ny vakoka sy ny hasin’ireo razana. Maro ny toerana afaka hanatontosana ny fikasana hanamboatra kianja filalaovana na “gymnase”, fa tsy eo amin’ny toerana misy ny Hotel Le Relais ao Ampanihy, izay efa nosokajiana hatry ny ela ho vakoka mitahiry ny tantara sy ny fomba amam-panaon’ny Foko Mahafaly, hoy ny Fanambarana. Eo amin’io toerana io no misy ny “Kile bey”, izay hazo masina sy manan-tantara efa tamin’ny andron’ny Mpanjaka, izay tsy maintsy hovonoina, raha toa ka tsy maintsy eo no hanatanterahana ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana. Noho izany, nanao antso amin’ny Mpitondra firenena, ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny Fikambanana mpiaro ny vakoka sy ny tantara ary ny Malagasy tsy vaky volo mba hijoro sy ho sarotiny ka hiaro ireo vakoka ireo, ary mba hifanome tànana aminy hamakafaka sy hanadihady izany. Ny fitandrovana ny hasim-pirenena sy ny Firaisan-kinan’ny Malagasy no aoka hotandrovitsintsika, hoy io fanambarana io. Efa adihevitra be ny kianja masoandro na “colisée” etsy Anatirova, saingy tsy nampihemotra ny fitondrana ka asa na hanao ahoana ity any Ampanihy ity?

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap