airtel

kolontsaina

13-juil-2026

MPANDALA NY

FOMBAN-DRAZANA-ZAZA VERY

Sample post image

Manameloka ny fanenjehana azy ho mpanao sorona

13-juil-2026

Manameloka ny fanaratsiana sy fanenjehana azy ireo ireo mpandala ny fomban-drazana mivondrona ao anatin'ny Vovonana Mpitan-kasina Mijoro. Niparitaka sy niely tao anaty tambajotran-tserasera Facebook mantsy ny vaovao tato ho ato fa izy ireo no ao ambadik'ireny vono olona sy zaza very ireny mba hanaovana sorona, hampitomboana hery sy fahefana. Tsy mpamono olona fa mpanasoa ny fiainan'ny vahoaka sy ny fiaraha-monina manontolo ny mpandala ny fomban-drazana hoy izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny vaovao tsy marina miely mikasika azy ireo ireo mpandala ny fomban-drazana noho izany. Raha tena misy kosa anefa izany hoy izy ireo ary voaporofo dia miantso ny Fitondram-panjakana ihany koa ny Vovonana Mpitan-kasina Mijoro mba hampihatra ny lalana amin'izany olona izany fa manalabaraka ny mpikambana. Mikasika ireo razana sasany hita teny akaikin'ny ladoany moa dia nomarihin'izy ireo fa teny ivelany no nahitana izany ho an'Amboanjobe, lalam-pirenena fahafito fa tsy tao anatiny.
Pati
Légende : Tsy manao sorona ary tsy mitady olona hatao sorona ireo mpandala ny fomban-drazana hoy izy ireo !
 

Dans la même rubrique