amin’ny kianja mitafo Mahamasina ny famoahana ireo andiany faha 20 amin’ny mpikabary eo anivon’ny fikambànan’ny mpikabary Katolika na Mpikalo. Nosalorana ny anarana Masindahy Augustin izy ireo, hoy ny fanazavàn’ny filohan’ny fikambanana eto amin’ny diosezin’Antananarivo, Ranaivomahandry Jean Stephane. 564 isa izy ireo, hoy izy, no nasandratra ho mpikabary. 54 isa ireo taninketsa na ankizy. Lehibe ny ambiny fa misy relijiozy. Misy Mopera sy Masera 6 mianadahy. 13500 no isan’ireo nasandratry ny Mpikalo ho mpikabary tao anatin’izay 20 taona nitsangànany izay. 9 volana no fampianarana fa misy 2 volana aorian’izay fampivondronana azy ireo any amin’ny paroasiny avy. Ny mpikabary Katolika irery ihany no manandratra sy mandalina ny soatoavina malagasy sy Kristianina. Miray lalana mihitsy ireo soatoavina miisa 2 ireo. Azo lazaina ho mahay roa ihany ny toeran’ny Kabary ankehitriny. Efa liana fatratra amin’ny fianarana kabary ny tanora sy ny ankizy. Hita ho mitady ho voahosihosy eo amin’ny fiarahamonina na izany aza ny soatoavina sy ny kabary. Variana amin’ny rendrarendram-bahiny ankehitriny ny tanora sy ny fiarahamonina dia lasa manao tsinontsinona azy sy ny soatoaviny, indrindra, ny fiainan’izany fiarahamonina malagasy izany tsy maintsy misy kabary foana na an-kasoavana na an-karatsiana. Toy ny vary sy rano ny fiainan’ny malagasy sy ny kabary ka tsy afa-misaraka, hoy hatrany ny fanazavàny.
J. Mirija
Ny mpitondra teo aloha namoafady, ny fanabeazana ara-kolontsaina tsy ampy