airtel

kolontsaina

11-mai-2022

kolontsaina

Mpilalao sarimihetsika Andrianina Ravel Hanohana ny famokarana fitafy Malagasy

Sample post image

Nisafidy ny hanohana sy hisehatra amin’ny filatroana sy famokarana fitafy malagasy ny mpilalao sarimihetsika Andrianina Ravel.

11-mai-2022

Antony, hoy izy, dia noho ny fahitana fa manan-talenta ny tanora malagasy ary ny tenako manokana dia tena mankafia sy mitia azy io. Mahavelona tsara io raha manana ny fahaleovantenantsika isika eto Madagasikara eo amin’ilay sehatra. Sosokevitra aza ny hoe tokony hanajanonana ny fanafarana any ivelany raha fitafy no resaka satria isika eto dia efa ampy hamokatra izany, hoy hatrany ny tenany. Vahaolana koa, hoy kosa ny mpamorona, izay mpiara-miasa aminy, Harilala Rajonshon, ny fijerena ny mpamokatra malagasy eo amin’ny resaka famokarana. Ny lamba, ohatra. Tokony hifampitsinjovana koa ny resaka haban-tsena satria betsaka ireo mety manam-piniavana hanao zavatra nefa voafetran’ny enti-manana. Antony mandrisika anay hamorona koa ny resaka fitaizana satria betsaka ny vokatra fitafy avy any ivelany mitobaka eto izay hita ho somary mamoafady. Ao anatiny koa izany ny fampianarana antsika hitafy sahaza ny maha malagasy sy sahaza ny kolontsaintsika nefa koa tsy mifangarika amin’ny toetr’andro ankehitriny. Fahazaza ny tena no efa tia lamaody ary nanandrana naka friperia dia nanisy dian-tanan’ny tena kely tamin’iny vao nitohy amin’izao ankehitriny izao. Nandeha ny fotoana dia nahita hoe tokony mba efa hanana izay mampisongadina manokana ary eo amin’ny karazany miisa 4 eo angamba izao ny karazana famoronana efa vita. Tsy midangana ny vita malagasy fa noho ilay vokatra vahiny mitobaka dia lasa toetsaina mibahana ao amintsika malagasy mihitsy ny manjifa ny an’ny vahiny. Mirary ny malagasy rehetra hanjifa sy hitia ny vita malagasy ary mangataka ny fanjakana koa mba hijery ny mpanan-talenta malagasy sy hanampy eo amin’ny ara-pitaovana, ohatra hoe masinina, satria hafa ihany ilay hoe ianao mihitsy no mampiofana ny olona hiasa ao aminao. Mampiroborobo ny asanay izany no sady famoronana asa koa ary fandraisana anjara amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny soatoavina eo amin’ny resaka fitafy, hoy hatrany izy roa.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap
17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap