airtel

kolontsaina

10-sept-2021

kolontsaina

Mpilalao sarimihetsika sy ben’ny tanàna Hanao ady baolina kitra ao Imerintsiatosika

Sample post image

Mikarakara lalao baolina kitra goavana ny alahady izao ny avy eo anivon’ny trano mpamokatra sarimihetsika Outline movie.

10-sept-2021

 Araka ny fanazavan’ny mpitantana sady mpamokatra eo anivon’ity orinasa ity, Sitrakiniaina Hanitriniala Raharison, dia fampisehoana io. Hivondrona ao anatin’ny Tilitilio FC ireo mpilalao sarimihetsika ka hifandona amin’ny fikambanan’ny ben’ny tanana eo anivon’ny distrikan’Arivonimamo, hoy izy. Izany hoe ny ben’ny tananan’Arivonimamo, Imerintsiatosika, Alakamisy sy ny manodidina dia ho tonga ao daholo. Amin’ny maha lalao baolina azy dia tena baolina no atao fa hisy koa ny mbola tsy nisy hatramin’izay dia ny hoe hiakatra kianja ny mpilalao sarimihetsika. Ao ry Rason, ireo mpilalaon’ny Tilitilio sy izay rehetra nandalo tao amin’ny Outline movie. Ao Imerintsiatosika, ao amin’ny Terrain Dago, noho izany, ny fotoana amin’ny alahady izao. Tanjona ankoatran’ny fitadiavam-bola ny fampiraisana ihany koa ireo ben’ny tanana izay samy manana ny firehana politika misy azy. Entina hitety an’I Madagasikara ny hetsika ary hisy aorian’izao ny hatao any Toamasina. “Bol rond versé” moa no lohatenin’ilay izy. Ireo depiote indray no hasaina amin’ny manaraka, hoy hatrany ny fanazavana. J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap