Lasa ilay mpimasy mpanohana ny antoko sy ireo mambra ao anatiny, hoy ny ranty nataon’i Paubert Beyndrova, izay zokin’ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga teo aloha, Mahatante Tsimanaorate Paubert, tao amin’ny pejy Facebook-ny omaly. Na ireo mpanome azy 4x4 sy nanamboatra tranobe ho azy aza, hoy izy, indrisy tsy nanatrika akory ny fialany teto Ambovombe. Izay ilay fiainana. Rehefa ho ratsy dia anao irery ny anao fa rehefa homamiana dia itangoronana. Misy fetrany ihany io fihatsaram-belatsihy io. Ho maro ny tafitohina kanefa azy irery izay fa izaho tsy nanonona anarana. Izay, hoy hatrany ny tenany, no nampisafotofoto ny andro ny alahady teo, mantsy ity fahafatesana mpimasy malaza be tao Ambovombe.
J. Mirija