airtel

kolontsaina

09-juin-2022

kolontsaina

Mpitsabo FITRAMA “Manaova vakisiny!”

Sample post image

Tsy sehatry ny fivarotam-panafody ny mpitsabo Malagasy FITRAMA, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa,

09-juin-2022

 teny amin’ny biraony eny 67ha omaly, manoloana ny firongatr’ireo misoloky ny vokatra vokarin’izy miseho lany isam-paritra. Misy dingana maro mialohan’ny hanomezana fanafody ireo marary, hoy izy, toy ny otra sy fampiasana zava-maniry. Fitsaboana no ato fa tsy fivarotam-panafody. Na izahay aza no hoe mampiasa fanafody fotsiny fa tsy mitsabo dia tsy sitrana ny marary. Masina ny asa fitsaboana fa tsy nataotao fotsiny hitadiavam-bola. Azon’ny rehetra atao ny mamokatra fanafody fa tsy ekena kosa ny mangalatra ny marika FITRAMA. Miverina miakatra indray io ny tahan’ny Coronavirus ka miantso ny rehetra izahay ampiakatra hery fiarovana. Ilaina ny torimaso ampy, ny sakafo ara-pahasalamana, ny rano sy voakazo fa eo koa ny fanentananay ny rehetra, indrindra, ireo marefo, hoe manaova vakisiny. Efa nisy ny fitoriana napetraka mikasika ireo mpisoloky. Ambatondrazaka manokana izao efa mihoatra ny 50 isa ny dosie voaray. Efa eo am-pijerena izany izahay izao, hoy hatrany ny FITRAMA. Ankoatran’izay moa dia naneho ny heviny koa ny filohan’ny FITRAMA mikasika ny fakana an-keriny miseho lany eto amin’ny firenena ankehitriny. Asa fampihorohoroana io, hoy izy. Ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ihany izao no namoaka hoe misy rongony sy ny hafa ao anatiny. Ankoatran’izay tsy misy hoe vola lasa na fanolanana sy ny hafa. Mitovitovy amin’io koa ny tranga any Frantsa izao. Fakana an-keriny tokoa ve sa fampiasana tambazotran-tserasera? Hatrany amin’ny fitondrana Ratsiraka no rehefa akaiky vanim-potoam-pifidianana toy izao no efa nisy izany hoe Sakely mijoro, Satanika, fangalarana fo, mpaka ra sy ny maro hafa ka tokony hiara-kiady aminy ny Malagasy rehetra. Mila hamafisiny ny fanaraha-maso ny sisintany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap