Tsy hijanona ho fahatsiarovana fotsiny izao fandalovany izao fa hisy ny fampisehoana goavana hotanterahiny rahampitso Sabotsy 11 Martsa eny amin’ny Musée de la photographie eny Andohalo. Hanomboka amin’ny 07 ora sy sasany maraina izany ka hatramin’ny 08 ora sy sasany maraina. Ny gadon-kira klasika , mélodie française, airs d’opéra no hoventesiny amin’izany ka izay vola rehetra azony dia entiny hanohanana ny ONG Le Lémurien niforona tamin’ny taona 1994. Antom-pijoroan’ity fikambanana ity raha tsiahivina ny hanampy ireo tena sahirana indrindra fa ireo vehivavy sy tanora miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra ny resaka fanabeazana dia miantsehatra amin’ny resaka tontolo iainana ihany koa ny fikambanana. Tetikasa efa hiantsorohany ankehitriny ny hanamboatra trano ho an’ny tanora ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza eny amin’ny lalan’ny atody. Tanjona ny hitazonana ireo tanora eny an-toerana hahay hiaina sy hivelona amin’ny zava-misy eny an-toerana fa tsy handeha hifindra monina any amin’ny toeran-kafa raha araka ny fanazavan’ny filohany Randrianarison Henry Tsoka.
Pati
Legende : Mamisoa Razanajatovo teratany Malagasy manam-peo sady manan-talenta
Rehefa manakaiky toy izao ny fety ny reny dia tsy vitsy ireo magazay
Raikitra ny Fetin’ny Maman’ty grand retour amin’ity taona 2025 ity