airtel

kolontsaina

07-juil-2022

kolontsaina

“Musée de la photo” eny Andohalo Hitarina ny toerana fampiratiana

Sample post image

Hitarina ny toerana hahafahana mampiranty sary eo anivon’ny “Musée de la photo” etsy Andohalo.

07-juil-2022

Ny mba hahafahana mampitombo ny isan’ireo mpitsidika hatrany amin’ny 20.000 isa no tanjona mandrapahatongan’ny faran’ny taona raha miisa 8.000 hatreto ireo mpitsidika, fanisana natao hatramin’ny volana Janoary no mankaty, raha araka ny fanazavan-dRtoa Helihanta Rajaonarison. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ity musee ity sy ny orinasa Sogea Satom no hahafahana manatanteraka izany. Raha tsiahivina dia orinasa mpanao lalana… ny Sogea Satom. Miompana amin’ny fananganana sy fanamboarana foto-drafitrasa ny asa hataony, raha tsiahivina. Ny tokontany fampirantiana sary tantanan’ity musee ity izay manome lanja ny vakoka an-tsary araka izany ny asa hotanterahin’izy ireo, fiaraha-miasa haharitra 3 taona. Hitarina izany, hamboarina sy havaozina ihany koa hanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika. Tsiahivina moa fa mivoha manomboka ny andro Talata ka hatramin’ny Alahady ny Musee. Miankina amin’ny salan-taonan’ny olona sy ny ankizy kosa ny saram-pidirana amin’izany.
Pati
Legende : Rtoa Helihanta, Rajaonarison, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Musee de la photo etsy Andohalo !
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap