Nanamarika fotoana manan-tantara ho an’ny fampivoarana ny toeram-piasana amin’ny alalan’ny zavakanto sy ny maritrano eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanokanana ny “Musée des Promesses” ny Groupe Filatex. Notokanana ny sabotsy 4 jolay 2026 teo ny « musée » miisa 4 niarahana tamin’ny mpahay maritrano Joël Andrianomearisoa. Fametrahana sehatra misokatra ao anatin’ny faritra indostrialy, saingy tsy mionona eo fa mampifandray ny asa ara-toekarena sy ny fanozan-danja ny lanja ny lova ara-kolontsaina sy ny maha-izy ny toeram-piasana amin’ny marika ara-javakanto miavaka. Mivoitra fa ny literatiora, ny gadona ary ny jeometria dia lasa fitaovana hamolavolana fenitra vaovao, manampy amin’ny famoronana fomba fijery sy fiteny ara-kolontsaina mifandray amin’ny tany sy misokatra amin’izao tontolo izao. Maneho ny maha zava-dehibe ny zavakanto maoderina eto an-toerana. Ny maritrano dia misintona ny mpitsidika handinika indray ny fifandraisan’ny zavakanto sy ny tontolo iainana. Tsy mitovy amin’ny “White Cube” mahazatra any amin’ny tandrefana, izay toerana voafehy tanteraka ny maripana sy ny hazavana, fa ny “Musée des Promesses” kosa dia mandray sy miaina miaraka amin’ny toetrandro, ny hafanana, ny hamandoana ary ny hazavan’ny masoandro,… Manavaka azy amin’ny endrika mahazatra ny fisokafany tanteraka: tsy misy varavarana, misokatra amin’ny lafiny rehetra, ka manala ny sakana ara-batana sy ara-tsaina izay matetika manasaraka ny zavakanto sy ny olombelona na ny vahoaka. Midika izany fa azon’ny rehetra idirana sy iainana amin’ny fotoana rehetra, azo ampiasaina amin’ny lafiny ara-javakanto samihafa, ka ny fisokafana mihitsy no lasa endrika ara-javakanto sy fanoloran-tenan’ny vondrona amin’ny fampivoarana ny tontolo misy azy sy ny fanajariana an’Antananarivo. Mitondra fomba fijery vaovao fa ny “musée” dia afaka miorina avy amin’ny tontolo misy azy, miresaka amin’ny manodidina, ary mitondra ny fanirian’ny fiarahamonina. Lasa marika ho an’ny fanantenana, ny nofy ary ny ho avy azo tanterahina izy, ka manampy amin’ny famolavolana endrika vaovao ho an’ny maha-izy ny zavakanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Nomarihin’ny mpahay maritrano Joël Andrianomearisoa fa ny “Musée des Promesses” dia efa naseho voalohany tany Cotonou, Bénin, tamin’ny 2024, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taona ny Fondation Zinsou.
Toky R