airtel

kolontsaina

19-mai-2022

kolontsaina

Musical Marvel Competition Laharana faharoa i Betia

Sample post image

Ilay teratany Malagasy Betia Harimalala Rakotomananjo no nahazo ny laharana faharoa tamin’ilay fifaninanana iraisampirenena eo amin’ny mozika « Musical Marvel Competition », andiany faharoa.

19-mai-2022

Time to live”, izay no lohantenin’ny hira nandraisany anjara namaranana ity andiany ity ary efa azo jerena ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana Youtube moa izany. Tsiahivina hatrany fa niisa 1.800 ireo mpihira avy amin’ny firenen-tsamihafa nandray anjara tamin’izao fifaninanana izao hatrany am-piandohan’ity andiany faharoa ity. Resy lahatra tamin’ity malagasy ity ny maro an’isa tamin’ireo mpijery saingy tsy niantefa tany aminy kosa anefa ny safidin’ireo mpitsara. Mitohy ny mozika, hoy I Betia, ary hivoaka tsy ho ela ny rakikira vaovao mitondra ny lohanteny hoe “Sahy”. Ny taona 2016 no namoaka ny rakikirany voalohany ity mpanakanto ity, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap