airtel

kolontsaina

05-août-2024

Nabaoh mankalaza ny faha-25 taona

Mampanantena fiverenana mahafinaritra

Sample post image

tsy adalana», «Revy sy ditra», «13 mai 72», «La vérité», «Nofy ratsy», «Mamolava mpamono vady»,

05-août-2024

Hidera azy», «Aller retour», santionan’ireo vazo nahafantarana izany tarika Nabaoh izany tao anatin’izay 25 taona nijoroany izay izany. Miketrika fiverenana amin-kery na ilay fiantso mahazatra amin’ny teny vahiny hoe «retour en force» moa amin’izao fotoana izao ny tarika, hoy ny fanazavan’i Rafifi Randriamanantena, ao amin’ny tarika. Mankalaza ny faha 25 taona ankehitriny ny tarika ary mampanantena fiverenana mahafinaritra ary tena inoana fa hafinaritra tokoa izany, hoy ny mpandrindra na «manager» eo anivon’ny tarika, Abel Anicet Andrianantenaina. Raha ny nambaran’i Rafifi hatrany dia hisy ny fampisehoana goavana na «Grand concert» ho tontosain’ny tarika eto Antananarivo. Ankoatran’izay koa dia hisy ny fitetezam-paritra na «Mada tour 2024», hoy izy, amin’ity taona ity hatrany ary ny fandaharam-potoana dia ho fantatra miandalana eny ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

Misy hafatra manokana hoan’ny malagasy ao ambadiky ny fankalazana

Card image cap
20-mars-2025

Teo amin’ny taona 1990 no tsikaritra ho niha maro ireo milaza azy ho mpandala

Card image cap
19-mars-2025

Feno 62 taona katroka ny 17 martsa teo i Jacquot Christian Randrianarison

Card image cap
19-mars-2025

Nisy nanaparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonan-tsary

Card image cap