airtel

kolontsaina

22-févr-2022

kolontsaina

Naivo Raholdina sy ny FI.Mpi.Dimy Nanandratra ny tenin-dreny niaraka tamin’ny UNESCO

Sample post image

Ho fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny dia nisy ny korana nataon’ny avy eo anivon’ny FI.Mpi.Dimy na Fikambanan'ny Mpikabary ety amin'ny Boriborintany fahadimy,

22-févr-2022

izay tarihin'ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina, tetsy amin’ny Fanantenana mahatehonina, Ambohidahy Ankadindramamy, omaly. Ity depiote ity moa dia sady mpikabary akademisianina no mpanoratra ary efa 12 isa mahery ny boky nosoratany momban'ny kabary, hoy ny fanazavana. Nanandratra ny tenin-dreny teny an-toerana niaraka tamin’izy ireo moa ny sekretera jeneralin'ny sampana miahy ny kolontsaina eo anivon’ny firenena mikambana na UNESCO, Manda Ravelojaona, ary nanamafy fa tombony mampifanakaiky sy mampitakosona ity depiote ity amin'ny vahoaka ny fandalany ny maha malagasy amin'ny fanomezan-danja ny tenin-dreny. Nifanindran-dalana tamin'ity andro iraisampirenena ho an'ny tenin-dreny ity ny faha 15 taonan'ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-5, izay ity depiote ity hatrany moa no filoham-boninahitry ny fikambanana ary ny vadiny, Hanitriniala Raholdina, no filoha. Ankoatra ny vola an-tapitrisa efa lanian'izy mivady hanampiana ireo mahantra dia nambaran'ity depiote ity koa omaly fa hanampiana ny sahirana eny amin'ny boriborintany fahadimy ny vola miditra amin'ity trano fandraisam-bahiny Fanantenana Mahatehonina ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina sy ny sekretera jeneralin’ny UNESCO
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap