hoy ny fampitam-baovaon’ireo iraky ny Ndrenogny Ramhasitrakarivo Marc Brillantomaly. Voalaza sy voarakitra an-tsoratra izany zavatra rehetra izany ary mijanona ho tantara eto Madagasikara. Noho izany antony rehetra izany no nihaonana ny alahady 15 oktobra 2023 ka nanapahana hevitra fa hanao fanambarana ny Ndrenogny ao Fenovola Ivato Savagna Vohipeno, Ramahasitrakarivo Marc Brillant. Izahay izao no mpitondra ny teniny, hoy ireto milaza azy ho irany ireto. Tsara ny ampahafantarana an’izay. Alohan’ny hilazako ny zavatra notapahana tao Fenovola dia tsara ihany ny ampahatsiahivako kely, hamerenako ny saintsika ny tantara. Ny Antemoro dia tonga teto Madagasikara tany ho any amin’ny taona 1300 tany. Nanorina fanjakana teto Madagasikara ka tao Ambohabe ao Vohipeno no niorenan’izany fanjakana izany voalohany. Io fanjakana Antemoro tamin’ny taona 1336 io no nitarina ka nalain’ny rehetra tahaka ka nijoroana fanjakana hafa taty aoriana nanerana an’i Madagasikara. Izy nanao an’io fanitarana fanjakana io anefa dia tsy mba niady taman’olona, tsy nandatsa-dra mpiray tanindrazana. Izany Ramakararo na Reis Imam Okhran Herios izany dia tamin’ny alalan’ny fihavanana hatrany no nanitarany an’izany fanjakany izany. Tsy nisy ra latsaka, tsy nisy ady fa dia tamin’ny alalan’ny fifampiresahana, sy ny fampihavanana no nanitaran’i Ramakararo izany fanjakana izany ka nampiitatra ny fanjakana nanerana an’i Madagasikara. Iarahantsika mahalala izany ao amin’ny tantara fa voarakitra ao anatin’ny tantaran’ity firenena malagasy ity izany zavatra rehetra izany. Noho izany no nahatonga anay mijoro eto ankehitriny manao izao fanambarana izao, manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny, izay ahitana fifandrafiana, fifandratrana, fifamonoana, eny hatramin’ny fanagadrana aza. Manao izao fanambarana izao izahay, izay fanambarana nasain’ny Ndrenogny Ramahasitrakarivo Marc Brillant ho vakianay aminareo, hoy hatrany ireo nampita ity fanambarana ity omaly.
J. Mirija