airtel

kolontsaina

22-juil-2022

kolontsaina

Nandao tampoka Rak’Roots Namela kamboty vao 2 volana

Sample post image

Nindaosin’ny fahafatesana ny alain’ny alarobia 20 jolay 2022 hifoha omaly alakamisy vao teo amin’ny faha-30 taonany monja i Yoann Loic Rakotonirina na Rak’Roots no ahalalan’ny rehetra azy amin’ny tontolon’ny hira sy mozika.

22-juil-2022

Maro ireo hira nahalalan’ny olona azy toy ny : ao fa kely sisa, faka vady, ahy, mpanjaka vavy, efiko parsi, tanya,… izay nisy nisy ny tsy afaka am-bavan’ny olona. Hatairana ny an’ny rehetra satria vao ny fiandohan’ny herinandro lasa teo nahita ity mpanakanto tanora ity nanao asa soa, nizara fanampiana toy ny fitafiana ho an’ny sahirana teto an-dRenivohitra : Akany Avoko Faravohitra, Itaosy,… ankoatra ny tany Brickaville sy ny maro hafa. Manana areti-mitaiza dia ny « sohika » na « asthme » i Rak’Roots, ka nisy fihetsehana tampoka (crise d’asthme) noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, raha izy teny an-dalana hamita iraka arak’asa tany Mahajanga. Nialana nenina notsaboina tao amin’ny Hopitaly CHU Androva Mahajanga nanomboka ny marain’io talata io, saingy tsy tana ny ainy. «Niditra ny tanànan’i Maevatanana no nanomboka sempotra. Afaka niady ilay fahasemporana nahazo azy ihany anefa izy mandra-pahatonga tany amin’ny Hopitalin’i Mahajanga. Natao daholo ny vonjy aina. Tonga tato amin’ny hopitaly izy mbola afaka niresaka raha ny fitantaran’i Erica. Avy eo nomen’ny mpitsabo fanafody fampatoriana… Teny an-dàlana izahay no efa nahenoheno fa nandao anay ilay zanako », hoy ny fitantaran’ny reniny. Ankoatra ny maha mpanakanto azy dia nanana andraikitra « chargé de mission » teo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika i Rak’Roots, ka naneho fiaraha-miory sy nitsapa alahelo teo anatrehan’ny fahalasany ny Filoha Rajoelina sy ireo Filohana andrim-panjakana omaly. Telo izy ireo no iray tampo, ka Rak’Roots no lahimatoa. Vao ny 15 aogositra 2021 izy no nampiakatra ny vady andefomandriny, namela mpitondra tena sy kamboty vao roa volana monja. Omaly tolakandro no niainga tao Mahajanga, nentina ny fiaramanidina ny nofo mangatsiakany, nandrasana tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina ny alina teo, ary hiala an’Antananarivo anio amin’ny 1ora sy sasany tolankandro, hoentina any Antsirabe tanànan’izy ireo anio. Ny alahady izao kosa no hoentina hatao veloma farany ao amin’ny FLM Antsirabe, mialohan’ny handevenana azy any Ambatobe Tsiafahy. "Rehefa lasa aho aza asiana tomany, rehefa lasa aho aza asiana alahelo, aleo aho hody eo ankavanan'ny Ray...", hoy ny tononkirany iray ny taona 2013. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap