airtel

kolontsaina

16-déc-2021

kolontsaina

Njara Marcel Hitondra hira Malagasy sy findraman-kira miavaka

Sample post image

Etsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy no fotoana iarahana amin’ny tarika Njara Marcel ny alin’ny 31 desambra izao manomboka amin’ny 8 ora ho fiandrasana ny taona vaovao 2022.

16-déc-2021

 Ankoatry ny fahafinaretan’ny maso sy ny sofina izay ampanantenain’ny mpikarakara ao anatin’izany dia hiavaka ihany koa ny sakafo hatolotra izay nomena lohahevitra mba hampifandraisana ny haitsiro eran-tany ka nampitondrana ny lohateny hoe “buffet autour du monde”. Niatrika fotoan-tsarotra isika nanomboka ny 2020, hoy ny fanazavan’ny mpikarakara, Tahiana Razanamahefa. Teo ny fihibohana sy ny fikatonan’ny sisintany nandritry ny fotoana naharitraritra. Ankehitriny efa manomboka miverina misokatra tsikelikely izany fa ao foana ny fitandremana amin’ny fiarovan-tena tsy hiparitahan’ny valanaretina. Anton’ilay safidy nanaovana karazan-tsakafo maneran-tany izany. Ho hita ao ny sakafo Malagasy, eoropeanina, orientalina, aziatika. Safidy manokana I Njara Marcel, noho izy, mpanan-talenta tanora nandrombaka ny laharana voalohany tamina fifaninanana iray. Mivoy ny bahan-kira Malagasy izy ary hitondra amin’ny fombany ireo karazan-kira hafa ho indraminy koa izay hifanjoy amin’izay karazan-tsakafo hita eto amin’izao tontolo izao izay, hoy hatrany ny fanazavana. “Ho mandrakizay”, “Manana finoana”, “Avalony”, “Lasanao iny” sy ireo vazony hafa nahafantarana izany Njara Marcel izany, araka izany, dia hanakoako ao an-toerana amin’io fotoana io fa hisy koa ny tsy ampoizina amin’ny findraman-kira ataon’ity mpanakanto ity, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Hiainga eny Talatamaty indray ny 5 may izao ny «Revy Mahaleo» i

Card image cap
16-avril-2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

Card image cap
16-avril-2024

Na dia tao anatin’ny aretina mafy aza ny mpanankato Thierra Bruno tamin’ny taona 2023

Card image cap
16-avril-2024

Faly miantso ny vahoaka rehetra taranak’Ambohidanierana, FJKM Fahazavana,

Card image cap