airtel

kolontsaina

20-oct-2021

kolontsaina

North and Center Hamoha ny lasa ao Antsirabe

Sample post image

Fampisehoana miisa 2 be izao no atolotry ny tarika mpanao Rap, North and Center, ao Antsirabe ny 27 oktobra izao.

20-oct-2021

 Ao amin’ny La palette no fotoana manomboka amin’ny 3 ora tolakandro amin’ny alalan’ny fampisehoana anaty trano mifampitohy na ilay antsoina hoe “Show case” itony ary mitondra ny lohanteny hoe “Revy sa ditra?”. Ao amin’ny B’art haingo indray avy eo ny hariva manomboka amin’ny 7 ora amin’ny alalan’ny fampisehoana mitondra ny lohateny hoe “Tsy digniko”. Hampiavaka ity seho faharoa ity ny fivahinianan’ireo namana niara-niangaly ny mozika Rap teo anelanelan’ny taona 1990, 2000, 2010 tany ho any hatramin’izao toa an-dry Donat, Lil Meker, Sigah La Perle, DJ Smart. “Revy sa ditra”, “Tsy Digniko” nitohy taty amin’ny “Mahatsiaro” sy “Ny hatsaranao” ary ireo vazo nahafantarana an’izany North and center izany, araka izany, dia inoana fa hamoha ny lasa niarahana tamin-drizalahy sy zavavy ireto avokoa ao Antsirabe ao amin’io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap