airtel

kolontsaina

15-juil-2022

kolontsaina

Olan’ny OMDA Fifampiresahana ihany no hahitana vahaolana

Sample post image

Araka ny efa nanamùpoizana azy dia nivoaka ny fanehoan-kevitra avy amin’ny ankolafin’Artista hafa nanohitra ny fanambaran-dry Samoela sy Jaojoby afak’omaly.

15-juil-2022

Nivoaka ihany koa ary niparitaka tao amin’ny tambazotra facebook ny antontan-taratasy mampiesho hoe nisy tamin’ireo artista milaza fa tsy mety ny ataon’ny minisitry ny kolontsaina ireo no nanasonia ny drafi-panavaozana ny fomba fiasan’ny OMDA .Nivoaka ihany koa anefa ny fanehoan-kevitry ny artsita hafa nilatsaka eo afovoany ka nilaza fa tsara ilay fanavaozana sy fanatsarana fa mila miresaka sy mifandamina tsara aloha.Ao anatin’ny fifampiresahana no ahiatana ny vahaolana tena mahomby sy hampisindana ny ahiahy tsy hihavanana hoy ity elatra iray ity .Etsy ankilan’izay dia misy ihany koa ny mpanakanto nisafidy ny hitazana fa tsy haneho hevitra aloha, ny fitadiavana izao no tena maha rempotra anay, hoy izy ireo fa alamino tsara ao aloha ny resaka OMDA. Zavatra tsy tokony ho sarotra ity raharaha ity , fa ny fidiran’ny politika no hita fa nahatonga ny savorovor.Mandeha ila ihany koa ny asa noho ny tsy mbola nahavoatendry hatramin’izao ny talen’ny OMDA.Ny volana febroary 2022 no nesorina tamin’ny toerany ny tale teo aloha.Ny karazana didy jadona ataoan’ny ministeran’ny kolontsaina no tsy mety aminay hoy ireo naneho hevitra ny alarobia lasa teo, ary tokony hifanaja ao anatin’ny asa sy ny kanto fa tsy terena amin’izay eritreretinao any an-tranonao any ny Artista.Mbola tantara mitohy.
RTT

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap