airtel

kolontsaina

15-oct-2026

Orchestre "PAP'S"

- 35 taona

Sample post image

Ho marihina amin'ny hetsika marolafy

15-oct-2026

Rasoloarison Gilbert Anatole Claude Martial, fantatry ny maro amin'ny solonarana hoe : "Papa", "Ndriana Pap's" izay efa lasa nodimandry dimy taona lasa izay. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Orchestre "PAP'S" Ity farany izay azo ambara fa matihanina amin'ny lafiny fanafanana lanonana sy ny fikarakarana rehetra manodidina izany. I Ndriana Pap's izay niavaka tamin'ny fahafahany mitana feon'andriambavilanitra sy ny fahafehezany mitendry karazan-javamaneno maro be toy ny gitara, aponga maroanaka, vatamaroafitsoka, sns. Manan-talenta tamin'ny famoronan-kira koa ny lehilahy sady nahafehy ny lafiny teknikan'ny fanatanterahana lanonana. Hisy ny fotoam-pankalazana ny faha dimy ambiny telopolo taona nijoroan'ny Orchestre"PAP'S" sy ny fahatsiarovana ny faha dimy taona nahafatesan'i Ndriana Pap's. Hanokafana izany ny fanatanterahana ny Alim-pikoranana hatao etsy amin'ny PK 0 Antanimena, ny Zoma 30 Oktobra ho avy izao. Handray anjara amin'io koa ireo Mpanakanto namana akaikin'i Ndriana Pap's fony fahavelony sy i Dj Gouty, hoy i Packo, lahimatoan'i Ndriana Pap's izay mitarika ny Orchestre PAP'S ankehitriny. Hitohy ny 15 Novambra etsy amin'ny kianja Malacam amin'ny alalan'ny fifaninanana baolina kitra izay hahafahan'ny sokajin'olombelona rehetra tsy ankanavaka mandray anjara ny fotoam-pankalazana, amin'ny maha mpitia ny taranja fanatanjahatena baolina kitra an'i Amin'ny maha mpitia ny taranja fanatanjahatena baolina kitra an'i Papa. Hisy koa ny seho ankalamanjana eny an-toerana. Ny 22 Novambra etsy amin'ny PK 0 Antanimena ihany no hanatanterahana ny fotoam-bavaka sy fisaorana ireo rehetra niara nisalahy sy niasa amin'izao fankalazana roa sosona izao. Marihana fa ny vola ho azo amin'ity hetsika ity dia hoentina hanampiana ireo manana fahasembanana.
Jean D.
Ny Orchestre PAP'S, tsy zoviana amin'ny fanafanana lanonana.
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

Ho marolafy ireo hetsika ho

Card image cap