airtel

kolontsaina

14-oct-2026

Orchestre

"PAP'S" - 35 taona Ho marihana amin'ny

Sample post image

hetsika marolafy

14-oct-2026

Rasoloarison Gilbert Anatole Claude Martial, fantatry ny maro amin'ny solonarana hoe : "Papa", "Ndriana Pap's" izay efa lasa nodimandry dimy taona lasa izay. Izy no angady nananana sy vy nahitana ny Orchestre "PAP'S" Ity farany izay azo ambara fa matihanina amin'ny lafiny fanafanana lanonana sy ny fikarakarana rehetra manodidina izany. I Ndriana Pap's izay niavaka tamin'ny fahafahany mitana feon'andriambavilanitra sy ny fahafehezany mitendry karazan-javamaneno maro be toy ny gitara, aponga maroanaka, vatamaroafitsoka, sns. Manan-talenta tamin'ny famoronan-kira koa ny lehilahy sady nahafehy ny lafiny teknikan'ny fanatanterahana lanonana. Hisy ny fotoam-pankalazana ny faha dimy ambiny telopolo taona nijoroan'ny Orchestre"PAP'S" sy ny fahatsiarovana ny faha dimy taona nahafatesan'i Ndriana Pap's. Hanokafana izany ny fanatanterahana ny Alim-pikoranana arahana sakafo hatao etsy amin'ny PK Zéro Antanimena, ny Zoma 30 Oktobra ho avy izao. Handray anjara amin'izany koa ireo Mpanakanto namana akaikin'i Ndriana Pap's fony fahavelony sy i Dj Gouty. Nomarihan'i Packo, lahimatoan'i Ndriana Pap's izay mitarika ny Orchestre PAP'S ankehitriny fa ho raitra sy ho matihanina ireo pitsopitsony ara teknikan'ity Alim-pikoranana ity. Noezahana hamaly ny filan'ireo mpankafy rehetra ihany koa ny nandrafetana ny fandaharan-kira ho vazoina eny an-toerana. Amin'ny maha mpitia ny taranja fanatanjahatena baolina kitra an'i Papa. Hitohy ny 15 Novambra etsy amin'ny kianja Malacam amin'ny alalan'ny fifaninanana baolina kitra izay hahafahan'ny sokajin'olombelona rehetra tsy ankanavaka mandray anjara ny fotoam-pankalazana. Hisy koa ny seho ankalamanjana eny an-toerana. Ny 22 Novambra etsy amin'ny PK Zéro Antanimena ihany no hanatanterahana ny fotoam-bavaka sy fisaorana ireo rehetra niara nisalahy sy niasa amin'izao fankalazana roa sosona izao. Marihana fa ny vola ho azo amin'ity hetsika ity dia hoentina hanampiana ireo manana fahasembanana.
Jean D.
Ny Orchestre PAP'S, tsy zoviana amin'ny fanafanana lanonana.
 

Dans la même rubrique

14-oct-2026

Ho marolafy ireo hetsika ho

Card image cap