airtel

kolontsaina

15-juin-2021

kolontsaina

Orinasa FITRAMA Nahazo lampika fanodinana « huille essentielle »

Sample post image

Nahazo lampika na ilay fitaovana lehibe fanodinana ny « huille essentielle » na lohamenaka hanjary ho fanafody azo

15-juin-2021

 

 

hampiasaina hanasitranana aretina maro ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA. Mahazaka 1000 litatra ka hatramin’ny 1500 litatra ny lohamenaka zakany amin’izany raha anisan’ny tanjona kosa ny hahafahana mampihena ny saran’ny fanaovana fitsaboana maharitra tanterahin’ny marary na traitement. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety ny fisian’io fitaovana io, notarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany tamin’izany fa miroso hatrany amin’ny fampanaraham-penitra ny asa fitsaboana tanterahiny ny orinasa ankehitriny ho fanampiana ny mpiara-belona. Ankoatra izay dia miomana fatratra amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izy ireo. 24 ora nanomboka omaly no nomeny ireo mponina ao amin’ny tanana vaovao ao Soaniedanana PK 67 mba hananganan-tsaina ho mariky ny fiandrianam-pirenena. Tsy misy mahazo milalao na mampiasa arendrina Sinoa ihany koa ireo ankizy ao an-toerana fa arendrina gazy avokoa. Hiragasy goavana hiarahana amin-dRamilison Besigara sy Rakotomavoson no entin’izy ireo hanamarihana ny fetim-pirenena any an-toerana ankoatra ny lalao baolina kitra goavana iadiana ny amboaran’ny 26 jona. Marihina moa fa miroso hatrany amin’ny fanampiana ireo olona tsy an’ asa sy sahirana eto amin’ny firenena ny FITRAMA ankehitriny amin’ny alalan’ilay tetikasa fifindra-monina. Efa marobe ireo asa miandry azy ireny any an-toerana toy ny famakiam-bato ao amin’ny kariera.

 Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap
26-mars-2024

Ny alatsinain’ny Paska izao, izany hoe afaka 6 andro, no handeha ao amin’ny

Card image cap