airtel

kolontsaina

10-sept-2021

kolontsaina

Orinasa mpitsabo malagasy FITRAMA Nahazo ivon-toeram-pitsaboana manara-penitra

Sample post image

Nahazo ivon-toeram-pitsaboana manara-penitra ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA etsy amin’ny 67 ha.

10-sept-2021

 Natao indrindra hanehoana ny fahaizan’ny Malagasy sy hanandratana avo ny fitsaboana nentim-paharazana no anton’izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Raha nampatahotra mantsy izany taloha hoy hatrany izy dia efa tena mivoatra sy azo hianteherana ankehitriny.
NISAOTRA NY FITONDRAM-PANJAKANA
Nisaotra manokana ny Fitondram-panjakana Rafanomezantsoa Jean Nirina noho ny fanomezan’izy ireo ny toerana maha-izy azy ny fitsaboana nentim-paharazana. Tamin’izao fitondrana izao hoy izy no nisy izany ka nahafahana nanampy ny mpiara-belona nanohitra ireo karazan’aretina maro samihafa indrindra fa ireo tsy nahitam-panafany an-taonany maro. Olona manam-pikirizana raha ny Filoha Andry Rajoelina hoy izy no sady mahavita zavatra. Vonona ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA araka izany hanohana izao fitondrama mijoro izao amin’ny heriny mandrapahatongan’ny taona 2023. Mbola vonona ihany koa izy ireo ny hampiroborobo ny asa hataony tsy haharesy tondromaso izao fitondrana mijoro izao. Tsy adino mandritra izany ny fanomezan-danja ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fikolokoloana ny zava-maniry. Hanao fambolen-kazo goavambe izy ireo ato ho ato raha araka ny fantatra ka olona an’arivony no indray hohetsehiny ao anatin’izany.
LALANA EFA LANY ANDRO
Na izany aza anefa dia tsy adinon-dRafanomezantsoa Jean Nirina ny nanolotra soso-kevitra entina hanatsarana ny fitsaboana nentim-paharazana eto amintsika. Marobe ireo lalana efa lany andro tokony ovaina hoy izy ary tsy ekena ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena. Ho an’ity farany manokana dia notsindriany fa misy ireo mpitsabo nentim-paharazana mbola afaka maneho ny mampahafantatra ny vokatra vokariny amin’ny alalan’ny vata fahitalavitra amin’izao nefa ny sasany tsy avela hanao izany. Izahay FITRAMA manokana ohatra hoy izy dia manana vokatra vaovao tokony hampahafantarina ny vahoaka saingy tsy manao izany izahay ary tsy mbola nisy mpitsabo tato aminay nanao dokam-barotra. Mikasika ilay lalana lany andro indray dia notsiahiviny fa takian’ny Ministera hatrany ny hananan’ireo mpitsabo nentim-paharazana fahazoan-dalana vao afaka misokatra izy ireny nefa tsy izay no tena laharam-pahamehana hoy izy. Tokony voaporofo ara-dalana mantsy hoy izy fa mahasitrana olona ary betsaka ireo nahazo tombontsoa tao amin’ny toeram-pitsaboana nentim-paharazana iray vao mangataka alalana hiditra ho mpikambana ao amin’ny ANTM izy ireo izay vao mandalo eny anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
TOKONY OMENA LANJA
Ankoatra izay dia notsiahiviny fa mbola betsaka ireo tsy manome lanja ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny ANTM. Hofalitra toy ny holafitra rehetra anefa ny ANTM hoy izy ary manana ny lanjany. Raha tiana araka izany hoy izy ny hampandroso ny fitsaboana nentim-paharazana dia ny ANTM no tokony omena lanja. Manana zo hanitsy ireo mpitsabo nentim-paharazana tsy manara-dalana mantsy izy hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina no sady afaka manasazy ihany koa raha ilaina izany. Tsy azo ekena ary toherinay amin’ny herinay rehetra araka izany hoy izy ny fitoriana na fanaovana tsinontsinona hataon’ny sasany amin’ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara.
TSY HO MPITSABO MANDRAKIZAY
Tsy ho mpitsabo mandrakizay aho hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina ary tsy hitsabo. Mpandraharaha no asako ao anatin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA hoy izy ary mandoa hetra ara-dalana amin’ny Fitondram-panjakana. Nomarihiny manokana fa manana ivon-toerana miisa 56 izy ireo ankehitriny. Mitovy avokoa ny fanafody hampiasainy manerana ny Nosy ary tsy miova ny fepetra. Anisan’ireny ny tsy fahafahan’izy ireo mandeha mitsabo olona any an-trano, tsy mandray vehivavy bevohoka sy ireo zaza latsaky ny 2 taona. Tsy mampiasa ny fanafodin’ny dokotera ihany koa izy ireo no sady tsy mandray olona tapaka. Ny huille essentielle sy eau florale hatrany no hitsaboany ireo olona tsy salama tonga manatona azy fa tsy misy zavatra hafa. IRETO TOERANA MISY NY FITRAMA Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati

 

Dans la même rubrique