airtel

kolontsaina

21-mars-2024

PASKA ANTSIRABE_FERY

KARAKARAIN’NY STAR Hafana ny lanonana miaraka amin-dry Ambondrona …

Sample post image

Toy ny fanaony isan-taona dia hanatanteraka fety mandritra ny telo andro

21-mars-2024

tsy an-kiato ho an’ny mponin’Antsirabe sy ny mpiala sasatra noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Paska indray ny orinasa Star. Hetsika lehibe izay hanambatra ny kolontsaina sy ambiansy anatin’ny “Soa ny fiarahantsika. », raha araka ny tafa nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ny mpanao gazety omaly. Ho an’ity taona 2024 ity dia hotanterahina eo anoloan’ny gara izany mandritra ka ny Sabotsy 30 Martsa ho avy izao no hanomboka amim-pomba ofisialy ny lanonana. Toeram-panjifàna manodidina ny zato no ho avy handray anjara amin’izany ka anisan’izany ireo sehatra lehibe ary eny ampitan’ny Imperial Hôtel kosa no ahitana ny « espace pression ». Hisy ny fampilalaovana ho an’ny sokajin-taona rehetra izay mety hahazoana loka maro. Tarika efa malaza amin’ny fanafanana sehatra no handravaka ny lanonana ahitana an’i Wendy Cathalina, Ambondrona, Johane, Samoëla, Oladad. I Fou Hehy sy Barhone ary Teg kosa no hanao ny fanentanana eny an-tsehatra isan’andro. Hahazo fahafaham-po ihany koa ireo mpankafy ny ambiansy DJ amin’ny alina. Etsy andanin’izay, hisy ny fifaninanan-kira « duo cover » natokana ho an’ireo tarika vao misondrotra eo amin’ny « espace pression » isan’andro manomboka amin’ny 5 ora hariva. Hisy ny fanandramana ny vokatra vaovaon’ny STAR toy Racines ho an’ny besinimaro. Mialoha izao hetsika lehibe izao, dia hitondra ny anjara birikiny ho fanohanana ny sosialy any an-toerana ny STAR, amin’ny alalan’ny ekipan’ny RSE, amin’ny fanolorana« concentrateur d’oxygène » sy fizarana kojakoja fiterahana ao amin’ny hopitaly Ave Maria. Amin’ny datin’ny Alarobia 27 Martsa no hanatontosan’izy ireo izany. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa vaovao amin’ny tobin-tsolika iray any an-toerana, hametrahana baka Kopakelatra, hanangonana ireo tavoahangy plastika efa niasa. Fiaraha-miasa izay tafiditra ao anatin’ny politikan’ny RSE an’ny STAR mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana mifandray mivantana amin’ny asa famokarany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nokarakarain’ireo mpikarakara ho an’ny mpanao gazety omaly !

 

Dans la même rubrique