airtel

kolontsaina

12-sept-2022

kolontsaina

Poketra sy kiraro vita gasy Manomboka mahaliana ny olona

Sample post image

Raha nalaza be ireo poketra sy kiraro vita Sinoa teo aloha teto amintsika no sady voalaza fa tsara sy mora dia tsy izay intsony ny zava-misy ankehitriny.

12-sept-2022

Samy mahatsapa mantsy ny ankamaroan'ny mpanjifa fa tsara jerena fotsiny izy ireny no sady mora simba. Misy tsy maharitra iray volana ny an'ny sasany dia efa miala ny fanadihiny nefa vidiana 30.000 Ar…Tsy vitsy araka izany ireo nanandrana ny vitagasy ary nahatsapa fa tsy mena-mitahy amin'ny avy any ivelany izy ireny rehefa tena hatao tsara ny fikarakarana azy farany. Hahafahana manao maodely tokana tsy hikambanana amin'ny hafa ihany koa ny poketra na ny kiraro vitagasy rehefa tena hain'ny mpanamboatra azy ny manao izany. Hahazoana tombony ihany koa izy ireny no sady misy hatrany ny akora hoy hatrany ny mpanamboatra kiraro vitagasy iray nanaiky niresaka taminay. Raha 25.000 Ar mantsy ny mason-karenany amin'ny kiraro iray ohatra dia mbola lafony 35.000 Ar izany. Anisan'ny asa mbola mahavelona tsara araka izany ny asa fanamboarana poketra sy kiraro vita gasy eto amintsika. Mamaly ny filan'ireo tanora sy olon-dehibe maniry ny hanao izany asa izany ny Ecole de Coupe et Couture Volana. Tsy ny fanjairana lamaody ihany mantsy no hahafantarana azy ireo. Mpianatra miisa 3 nivoaka tao aminy no fantatra ankehitriny fa efa manondrana kiraro sy poketra vita gasy mankany ivelany rehefa nahita lalam-barotra.
(Sary fanehoana)
Pati
 

Dans la même rubrique