airtel

kolontsaina

02-sept-2022

kolontsaina

Pr Jeannot Fils Ranaivoson “Tsy teny frantsay ihany no niavian’ny teny malagasy”

Sample post image

Fiaraha-miasa eo amin’ny foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia malagasy sy ny mpampianatra mpikaroka momba ny haiteny, ny Pr Jeannot Fils Ranaivoson,

02-sept-2022

no nahafahana namoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe “Ahitsio ny diso” ankehitriny. Araka ny fanazavan’ity mpahaiteny ity dia boky natao hanitsiana ny diso amin’ny fanoratana ny teny malagasy izy io. Efa nisy “Ahitsio ny diso” natao tao amin’ny akademia malagasy izay miisa 3 talohan’ity, hoy izy, saingy boky kely dia kely teo amin’ny takila miisa 18 teo. Hanao ny fanontana faninefany ny foibe momba ny teny ao amin’ny akademia no niantso ahy. Rehefa nijery ireo vita taloha aho dia nilaza tamin’izy ireo hoe hiova tanteraka izy ity satria tsy ho voalaza anaty takila 18 ny tiana ho lazaina na dia ireo fahadisoana miverimberina aza satria efa be loatra. 212 takila eo ity boky vaovao ity. Nisy zavatra nampiana sy nitarina be dia be. Raha ny votoatiny indray no lazaina dia tsy dia hoe fanitsiana diso fotsiny akory no hita ao fa ny lalana na fitsipika momba ny fanoratana maro ny teny malagasy ka voalaza ao mihitsy ny antony sy fomba nahatongavana amin’ilay fitsipika, izany hoe, azo hazavaina ny fanoratana. Hifanarahana eo amin’ny fiarahamonina ny fanoratana fa tsy voajanahary toy ny teny akory. Misy firindrana apetraka koa ao izay nezahana najaina sy namoahana ny lalana ifehezana ny fanoratana. Ankoatra izay dia voaresaka ao koa ireo teny nogasiana. Misy mihevitra fa teny frantsay ihany no niavian’ny teny malagasy nefa tsy izay mihitsy fa ao ny teny frantsay, be dia be koa ny avy amin’ny teny anglisy, espaniolina, sanskrit na karana, arabo, kaomorianina saingy ity farany moa mbola tsy ato satria mbola mivoatra iny ary any avaratra andrefana no misy azy be dia be ary tsy azo atao tsinontsinona fa ireo voalaza rehetra teo dia efa tafiditra anatin’ny hoe malagasy ofisialy. Fitsaboana ny aretina efa misy momba ny fampiasantsika teny malagasy anefa ity, hoy hatrany izy, fa ny fiarovana ilay aretina tsy hiditra dia tsy misy afa-tsy ny fanabeazana manomboka any amin’ny ambaratonga voalohany ihany ary ity boky ity mety tsy voafehin’ireo mpianatra fa azon’ny mpampianatra ampiasaina tsara kosa.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap