airtel

kolontsaina

11-avril-2024

Rabejean Miarinarivo

«Raha te hamerina ny hasin’ny kolontsaina dia mila maka fahefana»

Sample post image

Ny hitsitokotokoan’ny loha no hizarazaran’ny saina, hoy Razafindrabe Jean France Wisko na Rabejean Miarinarivo,

11-avril-2024

mpanakanto mpanao kolontsaina avy any Itasy, naneho ny heviny manoloana ny fahavitrihan’ireo mpanakanto toy ny mpihira sy mpikabary maro nilatsaka ho fidiana depiote amin’izao fe-potoana manaraka izao. Samy manana ny fanehoany fitiavan-tanindrazana, hoy izy. Fitiavan-tanindrazana goavana anatin’ny tsirairay avy ny fanaovana kolontsaina. Olana eto amintsika ny tsy fahafahana mitondra hevitra na dia manan-kevitra tahaka ny inona aza raha tsy maka fahefana. Tsy afaka mitondra fampandrosoana ihany koa na dia manana fampandrosoana tiana ho apetraka tahaka ny inona aza. Raha te hamerina ny hasin’ny kolontsaina dia mila maka fahefana aloha ilay mpivoy kolontsaina ka zava-dehibe ho anay noho izany ny fahitana ireo namana mpikabary, mpanakanto, mpanao kolontsaina maro isany nametraka ny atontan-taratasiny ho filatsahan-kofidiana solombavambahoaka. Tsy voatery ho depiote na mahazo fahefana nefa vao afaka mitondra izay anjara biriky ho an’ny tanindrazana izay. Mitso-drano ireo namana hahaleo ahalasana amin’izay fanapahan-kevitra hirotsaka depiote izay ary mirary azy ireo mba ho tonga amin’ny tanjona iriana. Ho tiam-bahoaka, ho tian’ny andriana, ho mamy hoditra amin’ny aoriana fa raha mahazo fahefana kosa dia mba jereo ilay hasin’ny kolontsaina, ilay hasin’ny mahaolona, ilay hasin’ny fampandrosoana mba tena hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka marina fa tsy ho lalaovin’ny antoko politika. Matoa vonona hilatsaka dia vonona hitondra anjara biriky ho an’ny vahoaka nifidy azy sy Madagasikara satria tadidio fa raha vao lany depiote ny olona iray dia tsy depioten’ilay faritra naha voafidy azy fotsiny intsony fa depioten’i Madagasikara iraimanontolo. Manana andraikitra ngezabe izy no dikan’izany na dia fahefana mpanao lalàna aza. Mila manan-kevitra, manana drafi-pampandrosoana maharitra, inona no ho entinao amin’ilay vahoaka mpiray tanindrazana aminao raha tonga eo amin’ilay toerana, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique