airtel

kolontsaina

06-août-2021

kolontsaina

Rafanomezantsoa Jean Nirina Zanak’olona sahirana fa nanam-piniavana

Sample post image

Tsy zoviana amintsika intsony Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy sady filoha tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA.

06-août-2021

 Mampanontena ny maro ny fahombiazan’ity Raim-pianakaviana ity, indrindra fa ilay hambom-po hananany entina hanandratana ny maha-Malagasy. Hizara ny tsiambarantelon’izany ao anatin’ny fandaharana Fiaraha-monina sy ny tontolony ao amin’ny vata fahitalavitra MaTV ny lehilahy anio hariva izay tena mampihetsi-po tokoa.
NOVOLAVOLAIN’NY FIAINANA
43 taona Rafanomezantsoa Jean Nirina ankehitriny, manambady niteraka 3. Tamin’ny ankapobeny dia olona novolavolain’ny fiainana izy ary tena anisan’ny niady hatrany mba ho mpandresy. Tao amin’ny Saint Francois Xavier Antanimena ny lehilahy no nianatra. Zanak’olona sahirana izy raha araka ny fanazavany saingy noho ilay Rainy izay agent de maison tao amin’ity sekoly ity no nahafahany nanovo fahalalana tao. Zanaka mpanam-bola avokoa ireo mpiara-mianatra taminy raha araka ny fanazavany saingy na izany aza dia anisan’ireo ankizy tena nahay izy tao am-pianarana na ilay antsoina hoe : meilleure eleve. Anisan’ny tena nanamarika ny fiainan-dRafanomezantsoa Jean Nirina raha araka ny fanazavany ny nanitsahan’ny fiara lehibe semi-remorque ny tongotry ny Rainy teo amin’ny rond point Antanimena raha olona efa manana fahasembanana ny Reniny. Navadiny ho hery sy angovo niatrehana ny fiainana anefa izany ary izy zary fanta-daza manerana ny Nosy ankehitriny io no sady manohana ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Avy ao Anosizato Atsinanana ny tanindrazany, raha anisan’ny toerana niaviany ihany koa ny any Arivonimamo sy Toamasina. Avy any amin’ity tanana farany ity mantsy ny Rainy niteraka azy.
NIAINGA TAMIN’NY 1000 AR
Notsiahivin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa niainga tamin’ny lela-vola 1000 Ar ny nananganany ny fikambanana HAFARI Malagasy izay tantanany mandraka ankehitriny. Tsy mba niandry vola avy amin’ny mpamatsy vola izahay hoy izy izay fahadisoan-kevitry ny fiaraha-monim-pirenena ankehitriny fa tena niady ary nanao izany azo natao rehetra. Vao 13 taona rahateo ny tenako hoy izy dia efa niady tamin’ny fianana ary tsy mba nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea akory. Tsy midoika anefa izany hoy izy fa tsy afaka ny hisandratra amin’ny fiainana ny tenako satria Malagasy manana zo feno eto amin’ny tanindrazako aho. Na inona na inona hoy izy anaram-bositra hapetaky ny olona amiko toy ny Sektambra …. dia tsy misy olana izany rehefa azon’ny olona ny tiako holazaina. Tsy hatao sakana ihany koa hoy izy ny filazana fa tsy tokony handraharaha anatine orinasa misehatra amin’ny fitsaboana aho. Ekeko hoy izy fa tsy mpitsabo aho ary tsy ho mpitsabo mandrakizay satria olona manam-pahaizana izy ireny. Ny fahalalana kosa hoy izy no hampiasaina ao anatin’ny fitsaboana nentim-paharazana ary tena hahazoam-bokatra izany rehefa tena hikirizana sy hatao amim-pitiavana mba ho an’ny mpiray tanindrazana.
OLONA AN’ALINY NO EFA SITRANA
Tamin’ny taona 2020 raha araka ny nambarany no nitsangana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA izay tantanany. Mitsabo amin’ny alalan’ny zava-maniry rano iray tsy misy fangarony izy ireo ka efa mahatratra 500 mahery ny isan’ireo ivon-toeram-pitsaboana tantanany ankehitriny manerana ny Nosy izay hananany taratasy ara-dalana avokoa. Ho an’ny foiben’ny FITRAMA manokana etsy amin’ny 67 ha dia fantatra fa efa an’aliny ireo olona tsy salama tonga nitsabo tena tao amin’izy ireo ka sitrana soamantsara. Hananan’ity orinasa ity dosie mazava avokoa ny mikasika ireo olona tsy salama ireo ka sitrana ary efa nanaterany izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny raha araka ny fanazavany. Tsy afaka miditra ho mpikambana ao amin’ny ANTM mihitsy mantsy hoy izy raha tsy manana porofo tahaka izany fa tena nahasitrana olona ary misy vavolombelona sahy mijoro. Io ilay antsoina hoe : observation Clinique hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny mahavariana anefa hoy izy dia tsy zakan’ny sasany izany fanandratana ny maha-Malagasy izany, indrindra fa ireo saribakolin’ny Frantsay. Tsy tokony hisy olana anefa izany hoy izy satria tokana ny tanjona dia ny hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy, indrindra fa ireo efa ela ny niharetana ny tsy fahasalamana toy ireo karazan’aretina tsy fanta-piaviana.
ADY
Tsy vita mora foana ny asa fitsaboana amin’ny alalan’ny fitsaboana nentim-paharazana tahaka ny hataony raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina hatrany. Ady no ao anatin’izany hoy izy toy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa marobe tsy tapaka na dia dradradrain’ny sasany aza fa tsy mahaloa karama ny tenako. Eo ihany koa hoy izy ny hofantranon’olona isam-bolana, trano izay tsy maintsy manara-penitra no handraisana ireo marary raha tsy lazaina intsony ny findangan’ny vidin’ireo akora ilaina toy ny huille essentielle. Ho an’ity farany manokana dia notsindriany fa tena lafo dia lafo tokoa ny vidiny noho izy io manasitrana aretina maro ka na inona na inona fahasahiranana dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ireo akora hampiasaina hanamboarana fanafody. Anisan’ny tena mampiavaka azy ireo moa ny fananany produit miisa 32 isa, izay tsy hananan’ireo mpitsabo nentim-paharazana hafa. Mikasika ny dokam-barotra manokana izay handraran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia notsindrian-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mila dokam-barotra intsony ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA satria efa diso fanta-bahoaka loatra izy ireo. Olona marary notsaboina tato aminay ihany hoy izy no mampita izany amin’ny havany sy ny olom-pantany dia vita ny dokam-barotra. Mikasika ireo orinasan-tserasera toy nygazety sy ny vata fahitalavitra kosa anefa dia nomarihiny fa mamelon-tena izy ireny ary manana mpiasa marobe mamelom-bady aman-janaka ihany koa ka tsy maintsy mifanohana aminy ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA izay tantanany.
IREO TOERANA MISY NY FITRAMA
Ireto avy ny toerana ahitana ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA manerana ny Nosy : Alakamisy Fenoarivo eo amin’ny tsena ampitan’ny Cecam : 034 82 780 44 Ivato : 034 82 780 44- Diego, eo amin’ny le Scama akaikin’ny MAXIME : 0341661089 Fenoarivobe : 034 68 792 92 -Ambohimanarina, eo anelanelan’ny fiangonana FJKM Ambohimanandray sy ny tobim-piantsonan’ny taxibe : 0347044308- FITRAMA Itaosy : 0342680250. F ITRAMA : 034 79 76721. FITRAMA Toamasina :0346440964. FITRAMA Toamasina Tanamakoa eo amin’ny barazy alohan’ny OTIV : 0346440964. FITRAMA Fianarantsoa II: 0347222869. FITRAMA Fianarantsoa II Antanandolo : 0347222869. FITRAMA Ambohimahasoa : 0343998040. FITRAMA Ambositra amoron’ny RN47, : 03420788 87. FITRAMA Ambatofinandrahana : 0342078887. FITRAMA Mananjary : 0345958130 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Antsohihy : 0340777975 . FITRAMA Toliara : 03431357 19. FITRAMA Toliara ihany saingy ao Andaboly : 0343135719. FITRAMA Ampanihy : 0343135719. FITRAMA Morombe :0343135719. FITRAMA Marovoay: 0346093854. FITRAMA Alatsinainy Bakaro : 0344325286. FITRAMA Manjakandriana : 0341420471. FITRAMA Moramanga: 0349047201. FITRAMA Ambatolampy : 0345604753. FITRAMA Antsirabe : 0348644008. FITRAMA Mahitsy : 0341337538. FITRAMA Ankazobe : 0347454064. FITRAMA Imerintsiatosika : 0342985042. FITRAMA Arivonimamo : 0343162120. FITRAMA Miarinarivo : 0340831838. FITRAMA Tsiroanomandidy : 0341257000. FITRAMA Morondava : 0347079995. FITRAMA Andramasina : 0345376962 . FITRAMA Anosizato Atsinanana : 0348278044. FITRAMA : 0346879292. FITRAMA Ankadindratombo : 034 09 840 70. FITRAMA Andoharanofotsy : 0348102943. FITRAMA Ambohimangakely : 0344681889. FITRAMA Ambohitrimanjaka : 0341789345. FITRAMA Imerimafovoany : 0342610515. FITRAMA Ankadikely Ilafy : 0340935341. FITRAMA Sabotsy Namehana : 0340935341 no hahazoana azy ireo. FITRAMA Mahajanga : 0347670705. FITRAMA Ifanadiana Centre :0344005162. FITRAMA Fenerive Est : 0345615534. FITRAMA Brickaville : 0346396502. FITRAMA Ambatondrazaka : 0343046767 .
Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap